• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Pourquoi Docteur
Image
Fahasalamana&Sakafo

Homamiadan’ny nono : azo sitranina raha voatily mialoha !

03/10/2024 11:43 © Moov.Mg

Nanomboka ity herinandro ity ny iray volana iadiana amin’ny homamiadan’ny nono na ny « Octobre Rose ». Azo sitranina tsara ity homamiadana ity raha voaray an-tanana aloha. Mba ho fampahafantarana ny maro ary dia resahana eto ny atao hoe homamiadan’ny nono, ireo fambara ahafantarana izany, ny fisorohana azo atao ary ny fitsaboana izany.

Inona no atao hoe homamiadan’ny nono ?

Ny homamiadan’ny nono dia aretina iray mahavoa ny sela anatin’ny nono. Ny selan’ny nono tokoa mantsy dia mety hisy fiovana izay mety mahatonga tsy fahatomombanana eo amin’ny fivoarany. Ireo fiovana ireo dia mety miteraka aretina eo amin’ny nono, toy ny « kystes ». Mety mahatonga fiforonana « tumeur non cancéreuses » ihany koa.
Indraindray nefa ny mety mitarika homamiadan’ny nono ihany koa io fiovan’ny selan’ny nono io. Misy amin’ireo sela tratry ny homamiadana ireo no mijanona eo amin’ny toerana misy azy. Misy kosa ireo sela mora miombo ary miparitaka amin’ireo sela manodidina sy manerana ny vatana. Raha izany no mitranga dia atao hoe « métastase » ilay homamiadan’ny nono ka sarotra kokoa ny fitsaboana na tsy mety sitranina intsony ka mitarika hatrany amin’ny fahafatesana.
Amin’ny ankapobeny dia ny vehivavy no tena tratry ny homamiadan’ny nono. Mety mahavoa ny lehilahy ihany koa nefa izy io. Isan’ireo anton-javatra mampitombo ny « risques » mety ahavoan’ity aretina ity ny fahazoana taona, ny fototarazo na ny fomba fiaina tsy ara-pahasalamana.

Ahoana ny fambara ny homamiadan’ny nono ?

Tsy voatery mitovy ny fambaran’ny homamiadan’ny nono eo amin’ny olona tratr’izany satria samy manana ny toe-batany ny tsirairay. Anisan’ireo fambara matetika fahita sy tokony hanaitra nefa ny :
-Fahatsapana mamatovato na fivontosana ao anatin’ny vatanono ;
-Misy fiovana eo amin’ny habe na ny endriky ny nono ;
-Mivaramena na lasa marokoroko toy ny hoditr’akondro ny nono na ny lohanono ;
-Misy tsiranoka tsy ara-dalàna mivoaka eo amin’ny lohanono ;
-Misy milempona eo amin’ny lohanono na eo amin’ny hoditry ny vatanono ;
-Manaintaina tsy mety afaka eo amin’ny nono na ny ambany helika.
Marihana fa tsy voatery ho tratry ny homamiadan’ny nono ny olona misy ireo fambara ireo satria mety ho fambaran’aretina hafa ihany koa izany. Ny fanantonana mpitsabo ary ny fanaovana fitiliana ihany no ahafahana manamarina ny homamiadan’ny nono.

Ahoana ny fomba atao hisorohana ny homamiadan’ny nono ?

Mbola tsy misy hatreto ny fomba fisorohana ny homamiadan’ny nono tena azo antoka fa mandaitra tanteraka. Ny fanamboarana ny fahazarana sasany amin’ny andavanandro kosa nefa dia mampihena betsaka ny « risques » mety hahavoa izany, toy ny :
-Fanaovana fanatanjahantena ;
-Fitazomana ny lanja araka ny tokony ho izy, izany hoe tsy matavy loatra nefa tsy mahia loatra ihany koa ;
-Famerana ny fisotroana zava-pisotro misy toaka ;
-Fampinonoana ny zaza raha azo atao.
-Ankoatra izay dia zava-dehibe ihany koa ny fanaovana fitiliana satria mora tsaboina kokoa ny homamiadan’ny nono rehefa hita mialoha. Anisan’ny tokony atao ny :
-Fizahana ny nono samirery indray mandeha isam-bolana. Izany hoe tsapaina sy dinihana ny nono sao misy iray na maro amin’ireo fambara voalaza teo ambony ireo ;
-Fanaovana « mammographie » izay fitiliana manokana ny nono.

Ahoana ny fitsaboana ny homamiadan’ny nono ?

Miankina amin’ny fahasarotan’ny homamiadan’ny nono sy ny « caractéristiques » an’ilay « tumeur » no fomba fitsaboana izany. Anisan’ireo fitsaboana mety atao ny :
-Fandidiana hanesorana ilay « tumeur » ;
-Radiothérapie hanimbana ireo sela misy homamiadana tavela ;
-Chimiothérapie hamotehana ireo sela misy homamiadana niparitaka tao amin’ny vatana ;
-Hormonothérapie hanakanana ny fiasan’ny hormonina izay mandrisika ny fiombon’ireo sela misy homamiadana.

Lire la suite

Articles Similaires