• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Adn-Telma
Image
Vaovao

Festival : Handray ny andiany voalohany amin’ny Makua Festival ny tanànan’i Toamasina

01/10/2024 16:08 © Moov

Haresaka mandritra ny efatra andro indray ny tanànan’i Toamasina amin’ny volana novambra io. Taona maro tsy nisy « festival » maresaka tao an-toerana ary hiverina hitondra izany fety izany ny Makua Entertainment mandritra ny Makua Festival ny 31 oktobra hatramin’ny 3 novambra izao. Hotanterahina eo amin’ny Avenue de l’Indépendance manoloana ny lapan’ny tanànan’i Toamasina izany.

Mpanakanto hatramin’ny 30

Handihy sy hihira ny mponin’i Tomasina mandritra ireo hetsika ireo. Efa mipetrapetraka ny fandaminana. Mpanakanto miisa hatramin’ny 30 kosa no handray anjara mandritra ireo andro telo farany. Ankoatra ireo mpanakanto efa malaza, toa an’i Oladad, L-jo, Basta Lion, Black Nadia, Reko… ; eo ihany koa ireo mpanakanto tsy tontan’ny ela toa an’i Oza Jerome sy ireo mpanakanto vao misandratra. « Natao ho fanomezan-danja ireo mpanakanto efa ela nihirana ny fotoana, toa ireo avy ao amin’ny Kaiamba. Etsy ankilany anefa dia fotoana lehibe ihany koa hanohanana ireo mpanakanto vao misandratra izay handray anjara mialohan’ny fiakaran’ireo mpihira efa malaza ireo », hoy i Shyn, mpanakanto sady mpikarakara ny hetsika Makua Festival. Mpihira sy mpanakanto malagasy avokoa ireo handray anjara ireo. Tanjona amin’izany ny mbola hanomezam-boninahitra ireo malagasy mana-talenta ireo mandritra ny hetsika rehetra. Manomboka tolakandro ireo fampisehoana samihafa mandritra ny telo andro ary arahina fanehoam-pahaizan’ireo DJ ka haharitra mandra-maraina ny fety.

Fomban-drazana

Hisokatra amin’ny fomba maro samihafa ny hetsika mandritra ny festival. Ankoatra ireo mozika sy hira mantsy dia fotoana iray hanasongadinana ny fomban-drazana ao amin’ny faritra Atsinanana ihany koa ny hetsika. Ao anatin’izany ohatra ny momba ny vako-drazana izay mampiavaka azy ireo, hotanterahina mandritra ny diabe manerana ny tanàna. Hotanterahina ny 31 oktobra izany ary hizara roa mazava tsara ny amin’ny atoandro sy ny amin’ny alina. Handray anjara amin’io ny isaky ny fokontany sy ireo fikambanana tsirairay misy ao an-toerana. Samy haneho izay mampiavaka azy izy ireo amin’ny fomba malagasy ary hisy ny fanolorana loka ho an’ireo izay manana fiseho tsara indrindra.
Miara-miasa amin’ny orinasa samihafa ny Makua Entertainment amin’io festival io. Anisan’izany ny orinasa Telma Madagasikara izay mbola hanohana hatrany ny fampivoarana ny kolontsaina amin’ny alalan’ny fanohanana ny mpanakanto. Miandry mpitsidika hatramin’ny 25 000 isan’andro ireo mpikarakara mandritra ireo fotoana ireo.

Lire la suite

Articles Similaires