• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 23 hatramin'ny 29 septambra 2024

30/09/2024 00:03 © Moov

Atolotra anao indray ireo vaovao nanamarika ny herinandro lasa teo, dia ny alatsinainy 23 hatramin'ny alahady 29 septambra 2024

Fifidianana # Nikatona ny fandraisana antontan-taratasy

Nifarana ny alakamisy 26 septambra lasa teo ny fandraisan'ny OVEC ny antontan-taratasy filatsahan-ko fidiana ho Ben'ny Tanàna sy Mpanolotsaina. Efa ny andro farany vao somebiseby ny ankamaroan'ireo kandida manerana ny Nosy. Ho an'Antananarivo manokana, ny PDS amperin'asa, izany hoe Harilala Ramanantsoa, no kandida no natolotry ny vondrona politika IRMAR. Nisolo an'i Marc Ravalomanana kosa ny zanany lahy, Tojo Ravalomanana. Maromaro ireo mpifanandrina satria mbola misy an'i Tahiana Razafinjoelina, Ogascar Fenosoa, Ndriana Razanamasy ary Joseph Martin (Dadafara). Mbola misy roa herinandro moa vao hivoaka ny lisitr'ireo kandida eken'ny OVEC sy ny CENI.

Lavanila voaomana # Hisokatra ny taom-pamarotana sy fanondranana

Amin'ity herinandro vaovao ity, izany hoe ny talata 1 oktobra, ny taom-pamarotana sy fanondranana lavanila voaomana. .
Manana sivy volana hatramin’ny 30 Jona 2025 ireo mpandraharaha nahazo fankatoavana (agrément) hanondrana lavanila voaomana mankany ivelany ho amin’ny taom-panondranana 2024-2025. Alohan’ny fikatonan’ny taom-pamarotana sy fanondranana dia tsy maintsy manao fanambarana momba ny tahirin-davanila any aminy izy ireo. Fepetra fototra ahafahana mitatitra sy manondrana ireo ambin-tahirin-davanila ny fanaovana ny fanambarana.

Jirama # Famatsiana rano

Nisy ny fihaonanana niarahan’ny Minisiteran’ny Rano sy ny Fanadiovana ary ny Fidiovana sy ny JIRAMA, izay notarihan’Andriamatoa ANDRIANAMELASOA Lalaina, Minisitry ny Rano sy ny Fanadiovana ary ny Fidiovana, ny 26 septambra 2024. Ny fanamboarana ireo fantsona simba miteraka ny fahatapahan’ny famatsiana rano no tena nodinihina. Noresahina ihany koa ny fanampian’ny Ministera ny Jirama amin’ny lafiny fampitaovana entina hampiodinana ny singa fikirakirana rano amin’ny kaontenera na ny « Utc » hery manokana iarahan’ny Ministera sy ny Jirama hamahana ny olana amin'ny famatsian-drano eto Antananarivo izay hotohizana amin'ny vahaolana hafa.
Mitoetra ho tanjon'ny Ministera hatrany ny fampisitrahana rano fisotro madio ho an’ny vahoaka. Mifanolo# tanana amin’ny alalan’ny fananganana ny « TASK FORCE » sady manaraka akaiky ny fitsinjarana ny rano atolotry ny JIRAMA foana ihany koa ny MEAH.

Polisim-pirenena # Nanome rà ho fankalazana ny faha-63 taona

Toy ny isan-taona dia nanome rà ho an'ny mpiara-belona tetsy amin'ny foibe fanomezan-drà ao amin'ny HJRA Anosy ny Polisimpirenena. Ny 26 septambra lasa teo no nanatanterahana izany tamin'ity taona ity. Tafiditra amin'ny fankalazana ny faha 63 taonan'ny Polisimpirenena moa izao hetsika izao ka Polisy miisa 250 avy amin'ny sampandraharaha maro eto an-drenivohitra no nandray anjara tamin'izany. Porofo izao, hoy ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Contrôleur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala, fa mitsinjo ny fahasalaman'ny vahoaka ny fitondram-panjakana amin'ny alalan'ny fifanomezan-tanana eo amin'ny Minisiteran'ny Fahasalamana sy Minisiteran'ny Filaminam-bahoaka.

Analamanga # Tsenaben'ny Hazandrano, andiany faha-4

Tontosa ny 26 hatramin'ny 29 septambra lasa teo teny amin'ny Kianja Barea Mahamasina ny Tsenaben'ny Hazandrano. Hazandrano antoky ny fahaleovan-tena ara-tsakafo eto Madagasikara no lohahevitra noraisina.
Mbola hita sy tsapa fa mbola ambany ny tahan'ny fihinanana trondro isam-batan'olona eto Madagasikara? raha toa ka tokony ho 11kg/olona/taona izany dia mbola 7kg/olona/taona izany ankehitriny araka ny fanadihadiana. Izany indrindra no mahatonga ny Ministeran'ny Jono sy ny Toekarena Manga mikarakara izao hetsika izao mba hamporisihana ny Malagasy hanjifa trondro hiadiana indrindra amin'ny tsy fanjarian-tsakafo satria hiaraha-mahalala fa ny fihinanana trondro dia mahasalama sy mitondra otrikaina mihoatra ny hena.

Anjozorobe # Avotra ireo takalon'aina

Nisy olona roa lasan'ny mpaka an-keriny ny 08 Septambra 2024 lasa teo tao Ambohibary Vohilena, distrikan'Anjozorobe. Fantatry mpitandro filaminana tamin'ny alalan'ny angom-baovao fa niomana hifampiraharaha amin'ireo fianakaviana ireo mpaka an-keriny.Niainga tao Bemandrona avy hatrany ny ekipan'ny mpitandro filaminana tarihin'ny manamboninahitra hanao ny velapandrika. Raikitra ny fifampitifirana teo amin'ireo dahalo mpaka an-keriny sy ny mpitandro filaminana : lavo ny dahalo iray. Nandriaka ny rà teo an-tany niadiana. Navotsotr'ireo dahalo ireo takalon'aina ka avotra soa aman-tsara tafody teo anivon'ny ankohonany. Nosavaina ny toerana niadiana ka nahitana fatina dahalo iray. Mbola feno rà kosa ny toerana nandosiran'ireo sasany.
Ny fiarahamiasa sy fanomezana vaovao ireo zandary/Tafika ary polisy misehatra no hampitsahatra ny fakana an-keriny sy hendresena ny ratsy ary tsy handoa vola ho an'ny dahalo isika.

Ambatondrazaka # Mpamaky trano telolahy lavon'ny balan'ny Polisy

Jiolahy miisa 03 mpamerin-keloka amin'ny resaka famakiana trano no lavon'ny Polisy any Ambatondrazaka ny talata 24 septambra lasa teo, tao amin'ny fokontany Ambodimanga.
Nandritra ny fisafoana no nifanehatra tamin'ireto jiolahy ireto ny Polisy. Vao nahita azy ireo izy telo lahy dia nandositra sady nitifitra. Raikitra ny fifampitifirana sy ny fanenjehana ka maty voatifitra izy telo lahy. Basy "révolver" 01, antsy lavalela, "barre à pince" ary entana avy nangalarina no hita teny amin'izy ireo. Fantatra fa ny 02 tamin'izy ireo dia vao nivoaka ny fonja ny herinandro lasa teo.

Toamasina # Fanentanana mikasika ny Fanampoizinana vokatry ny fihinanana haza an-dranomasina

Efa miditra amin'ny vanim# potoana mafana isika izao. Ilaina araka izany ny fisorohana mialoha ny tranga mikasika ny fanampoizinana vokatry ny fihinanana haza an-dranomasina (ICAM). Nisy ny hetsika fanentanana ireo mpiantsehatra rehetra amin'ny Jono tao Analankinina, Hopital Be, ka nantira nisantarana izany ny hetsika fampatsiahivana sy fanentanana izay notanterahina teo anivon’ ireo mpanjono tao an-toerana. Mbola hitohy ary hitety sokajin’olona sy toerana maro ny fanentanana momba ity ICAM ity na “Intoxication par la Consommation d’ Animaux Marins” ka hipaka hatrany amin'ireo mpanjifa isan# tokantrano.

Atsinanana # Fampiofanana ireo talen-tsekoly

Nanatanteraka hetsika maro mikasika ny fiantohana ny mpianatra manoloana ny loza an-tsekoly ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena tamin'ny alalan’ny Ofisy Nasionaly misahana ny fisorohana ny voina an-tsekoly (ONAPASCOMA) tao amin’ny DREN Atsinanana ny 17 hatramin’ny 19 septambra lasa teo.
Isan’izany ny fanomezana fiofanana ireo Talen-tsekoly miisa 50 avy ao amin’ny CISCO Toamasina I sy Toamasina II, izay natrehan’ny « SAF PASCOMA » rehetra niisa fito avy ao amin’ny faritra Atsinanana ; ny fanofanana ireo « SAF » rehetra avy amin’ny CISCO Toamasina I ; Toamasina II ; Brickaville ; Vatomandry ; Mahanoro ; Marolambo ary Antanambao Manampontsy. Notanterahana nandritra izany ihany koa ny fitsidihana ny toeram-pitsaboana eny anivon’ny sekoly sy ny fanaraha-maso ireo fanafody sy fitaovana ampiasaina sy ny fitsidihana ny biraon’ny « SAF PASCOMA » Toamasina I.

Menabe # Fanohanana ireo mpiompy misitraka ny Tetikasa Titre Vert

Ny 20 septembra lasa teo, bengy (osy) miisa 90 no natolotra tao Bezeky Menabe. Osy vavy roa sy osy lahy iray no anjaran'ny tokantrano tsirairay amin'ireo tokantrano 30 vonona hiroso amin'ny fiompiana osy. Mialoha sy aorian'ny fizarana dia manome fiofanana ara-teknika hatrany ny teknisiana DRAE Menabe. Ankoatr'izay dia mbola hisy tsy ho ela ny tohana ho an'ireo izay vonona hanao fiompiana tantely.
Raha ny ao Bezeky manokana dia mitondra tohana ho an'ireo tokantrano tantsaha nanaiky nifindra monina, nandaon'ny faritra voaaro ao Menabe Antimena ny tetikasa Titre vert, ho fanampiana ny velontenan'izy ireo.

Nosy Varika # Fanomezana sy fandrotsahana zana-trondro

Tontosa ny faha 26 septambra lasa teo ny fanomezana sy fandrotsahana zana-trondro ho an ’ireo Mpiompy trondro eny ifotony tao amin’ny Kaominina Nosy Varika, Distrikan'ny Nosy-Varika, Faritra Vatovavy.
Zana-trondro Tilapia tsara kalitao niisa 5500 no nozaraina nandritra izao hetsika natao tao Nosy Varika izao. Atsy ho atsy dia azo antoka fa afaka hamatsy zana-trondro tsara kalitao amin’ireo tanàna manodidina ireto Mpiompy trondro ireto rehefa tonga ny fotoana mampety izany. Tohana avy amin'ny Ministeran'ny Jono sy ny Toekarena Manga (MPEB) mba hanomezana tosika ireo mpisehatra eny ifotony sy hahafahan’izy ireo mampiroborobo ny sehatry ny fiompiana trondro ao Nosy Varika sy ny manodidina izany.

Mahajanga II # Fambolena zanaka honko miisa 10 000

Nanatontosa fambolena zanaka honko miisa 10 000 tao amin’ny Fkt Amboanio ireo hery velona rehetra eo anivon’ny Faritra, nahitana ny fandraisan’anjaran’ireo Manam-pahefana avy ao an-toerana. Hetsika tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny tetiandron'ny zaikabe faha-05 n'ny LMMA natao tany Mahajanga izany.
Nohamafisin’ireo Manam-pahefana nandritra ny fandraisam-pitenenan’izy ireo ny maha-zava-dehibe ny ala honko eo amin'ny lafiny ara-tontolo iainana sy ny fifandraisana misy aminy sy ny amin’ny famokarana hazan-dranomasina.
Raha ny Kaominina Boanamary manokana no resahana dia efa tafaverina eo amin’ny manodidina ny 30% eo ho eo ankehitriny ny velaran’ny ala honko ary tsapan’ireo mpisehatra amin’ny asa fanjonoana ao an-toerana fa eo andalam-piverenana tsikelikely amin’ny laoniny ny vokatra azo toy ny drakaka, makamba, filao, sns....

New York # Fihaonambe ho an'ny hoavy 2024

Ny Minisistry ny Raharaha-bahiny, ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana lovainjafy, ary ny Tanora sy ny fanatanjahantena no nisolo tena ny Filohan’ny Repôblika Andry Rajoelina mandritra ny Fihaonana antampony ho an’ny Hoavy, ny 22 sy 23 septambra lasa teo.
“Vahaolana marolafy ho an’ny hoavy tsara kokoa” no lohahevitra iompanan’ity fihaonana antampony ity. Ny fanokafana ofisialy ny Fihaonana antampony dia niantomboka tamin’ny fanekena antotan-taratasy momba ny “Fifanarahana ho an’ny ho avy (Pacte de l'Avenir)”, izay ahitana ny “pacte de l'Avenir” sy ny fanambarana momba ny taranaka ho avy.
Ny antontan-taratasy dia nekena taorian'ny fifidianana, nataon'ny 143 tamin’ireo 165 firenena anatin’ny Vondron’ny Miombon-kevitra amin’izany i Madagasikara, ary ity fanapahan-kevitra ity dia vokatrin’ny dingana sy ny fifampiraharahana naharitra izay natao mialohan’ny fihaonana antampony, notarihin'ny Repoblikan'i Alemaina Federaly sy ny Repoblikan'i Namibia.

New York # Fihaonana Groupe des pays mégadivers

Nanatrika ny fihaonan'ny Groupe des pays mégadivers de même esprit na LMMC i Madagasikara, ka ny Minisitry ny Tontolo iainana Andonirina Max Fontaine no solontena.
I Colombie izay handray ny Fihaonambe iraisam-pirenena mahakasika ny karazanjavamananaina COP16CDB no nampiantso ity fivoriana ity hiresahana manokana ny fampiharana ny fizarana ara-drariny ny tombontsoa azo avy amin’ny fampiasana ny torohay sy ny fahalalana mahakasika ny harena fototarazo ; sy ny fanetsehana ny enti-manana mifandraika amin’ny fanatanterahana ny « Cadre Mondial de la Biodiversité de Kunming-Montréal (KM-GBF).
Isan’ireo firenena nanangana ity LMMC ity i Madagasikara noho ny fananantsika harena voajanahary miavaka izay ny ankamaroan’izy ireo dia tsy fahita raha tsy eto amintsika.

Lire la suite

Articles Similaires