• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Produir
Image
Vaovao

Antananarivo Renivohitra : Hatramin’ny 3 000 ny fangatahana fampihenan-ketra

27/09/2024 16:41 © Moov

Miisa hatramin’ny 3 000 amin’izao fotoana izao ny fangatahana fampihenan-ketra tonga ao amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Nanatanteraka fivoriana tsy ara-potoana ny mpanolotsain’ny Kaominina androany ka tafiditra tao anatin’ny laha-dinika ny momba ny fanatanterahana io fampidinan-ketra io.

Tolo-kevitra

Ambany ny taham-pandoavan-ketra raha ny antontan’isa farany ny taona 2021 izany. Nanodidina ny 17% an’ny mponina ihany no nahatanteraka izany ary mbola azo lazaina ho mitohy izany hatramin’izao. Tao anatin’izany dia azo heverina ho ny lanjan’io hetra io no anton’izany. Araka izany dia nifampidinihan’ireo mpanolotsain’ny tanànan’Antananarivo ny hanalafehana io hetra io. Tolo-kevitra ihany anefa no narosoan’ireto mpanolotsaina ireto saingy ny Sampan-draharahan’ny hetra kosa no tompon’ny teny farany. « Nijery ny fomba hanatanterahana ity fanalefahan-ketra ity izahay androany. Tsy maintsy hatomboka amin’ny fiantsoana ny mponina hiverina hanao fanambarana ny tranony indray ny asa ka arakarak’izay no hanamboarana ny fanalefahana ny hetra aloha », hoy Sekretera Jeneralin’ny Kaominina, Clara Michel Andrianambony. Marihina fa maro ireo toerana vaovao tsy handoavana hetra ka izay no anton’ity fiantsoana fanambarana ity. Ao anatin’izany ohatra ny toeram-pivoahana sy ny lalan-tsara. Miankina amin’ny ankapoben’ny zava-misy araka izany no hamaritana ny fihenana.

Hetran’ny taona 2021 sy 2022

Natokana ho an’ny fandoavana hetran-trano ho an’ny taona 2021 sy 2022 ity fanalefana ity, hoy ny fanazavana. Miezaka manatsara sy manafaingana ny tolotra rehetra eo anivon’ny kaominina ny ekipan’ny delegasiona manokana misahana ny tanàna, Ramanantsoa Harilala. Mandamina ny fikarakarana taratasy mba tsy hitarazoka na ao amin’ny kaominina na amin’ ireo boriborintany enina mandrafitra azy izy ireo. Atao anatin’ny mangarahara ny fomba fiasa hananan’ ny rehetra fitokisana satria ny tanàna dia an’ny mponin’Antananarivo. Momba ny hetra dia miverina ho an’ny mponina amin’ny alalan’ny tamberin’ andraikitra ihany izany.

Lire la suite

Articles Similaires