• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Unicef
Image
Vaovao

Zava-dehibe ny fanaovam-baksiny : Nahitana trangana kitrotro 54 isa tamin’ity taona 2024 ity

27/09/2024 16:12 © Moov.Mg

Hisy hetsika fanaovam-baksiny faobe indray eto Madagasikara ny 15 hatramin’ny 19 oktobra izao. Isan’ny hifantohana, mandritra izany, ny vaksiny miaro amin’ny kitrotro, ankoatra ny fanaovam-baksiny miaro amin’ny lefakozatra sy ny fanatrarana ny fanaovam-baksiny ho an'ireo izay mbola tsy nisitraka izany mihitsy.

Nihena ny taham-panaovam-baksiny

Trangana kitrotro miisa 54 no voamarina teto Madagasikara hatramin’ny fiandohan’ity taona 2024 ity. Miparitaka amin’ny Faritra samihafa eto amin’ny Nosy izany tranga izany, ka isan’izany Analamanga sy Amoron’i Mania. Araka ny notsiahivin’ny talen’ny Fandaharan’asa mivelatra ho an’ny fanaovam-baksiny (PEV), ny Dr Tsivahiny Paubert, dia nanao hetsika fanaovam-baksiny faobe ny teto Madagasikara, nanomboka ny taona 2004, ary naverina isaky ny 3 taona izany. Niato anefa ny hetsika tamin’ny taona 2016, noho ny fahitana fa tsy nirongatra intsony ny kitrotro. Saingy nihanihena, noho izany, ny tahan’ny fanaovam-baksiny ary nihena nanaraka izany ihany koa ny fanaraha-maso. Vokatr’izay, tamin’ny taona 2018-2019 dia nirongatra indray ny aretina, satria nahatratra 244.650 isa ny tranga voamarina tamin’izany, ary nahatratra 1080 ireo namoy ny ainy, raha ny antontan’isa ôfisialy. Porofon’ny maha-zava-dehibe ny fanaovam-baksiny ny zaza ny tranga toy izany.

Hetsika fanaovam-baksiny faobe

Mba hiadiana amin’io firongatry ny aretina kitrotro io, dia namerina nanatanteraka hetsika fanaovam-baksiny faobe indray i Madagasikara ny taona 2019, ary nasiana hetsika fanamafisana, tamin’ny taona 2022. Trangana kitrotro 80 isa no voamarina tamin’io taona 2022 io ary voatazona io antontan’isa io, amin’ny ankapobeny. Ny 15 hatramin’ny 19 ôktôbra izao, dia hisy indray ny hetsika fanaovam-baksiny faobe, ka hotanterahina amin’izany ny vaksiny miaro amin’ny kitrotro ho an’ireo zaza 9 hatramin’ny 59 volana ; ny fanaovana vaksiny miaro amin’ny lefakozatra ho an’ireo zaza vao teraka hatramin’ny 59 volana ; ny fanatrarana ny fanaovam-baksiny ho an'ireo zaza 12 volana hatramin’ny 59 volana, izay mbola tsy nisitraka izany mihitsy ; ary mitohy ny fanaovam-baksiny mahazatra, ho an’ireo zaza vao teraka hatramin’ny 23 volana. Iarahan’ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny PEV manatanteraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka maro, toy ny Tahirin’ny Firenena Mikambana ho an’ny ankizy (UNICEF), ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana ho an’ny Fahasalamana (OMS) ary ny Alliance Gavi, izao hetsika fanaovam-baksiny faobe izao. Rtoa Mialy Rajoelina, vadin’ny filoham-pirenena kosa, no reny mpiahy izany.


Copyright Image : © Moov - Dr Tsivahiny Paubert talen'ny PEV

95% fara-fahakeliny

Hanova fomba fiasa ireo mpiara-miombon’antoka, amin’ny fanatanterahana ny hetsika fanaovam-baksiny faobe, amin’ity indray mitoraka ity, ka tsy hanatona isam-baravarana intsony. Hisy kosa ireo toerana hapetraka, manakaiky vahoaka, ka afaka manatona eny ireo mikasa ny hanao vaksiny ny zanany. Mpanentana ara-pahasalamana 40.090 isa no hanome tanana, hifandrimbona amin’ireo mpiasan’ny fahasalamana, amin’izany. Mitohy kosa ny fanaovam-baksiny eny anivon’ireo tobim-pahasalamana fototra (CSB). Ho an’ny vaksiny miady amin’ny kitrotro, dia ny 95%, fara-fahakeliny, amin’ny ankizy 4 721 333 isa, no kendrena hisitraka ny vaksiny. Ny 95% amin’ireo zaza 5 546 154 isa tokony hisitraka ny vaksiny miady amin’ny lefakozatra ihany koa, no kendrena hahazo izany, ary ny 35% amin’ireo ankizy 1 224 773 isa tsy mbola nisitraka vaksiny mihitsy, no kendrena hahazo ny vaksiny sahaza azy.



Lire la suite

Articles Similaires