• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Photomania : Mbola malalaka ny sehatry ny fakana sary sy ny horonan-tsary

27/09/2024 15:10 © Moov

Tanterahina androany sy rahampitso ao amin’ny Urban Futsal Andraharo ny hetsika Photomania. Eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ity hetsika ity mba ho fampiroboroboana ny sehatra hatrany. Tao anatin’izany no nanambaran’ny Sekretera Jeneralin’ity Ministera ity fa mbola malalaka io sehatra io raha eo amin’ny tontolon’ny fandraharahana.

Indostria ara-kolontsaina

Fotoana iray ambohim-pihaonan’ny mpanatalenta sy ireo izay te hanana fahaizana amin’izany fakana sary izany ity Photomania ity. Tanora mbola vao te hiditra amin’ny sehatra sy ireo efa manam-pahaizana amin’izany no mampiranty ao. Mpampiranty eo ho eo amin’ny 50 eo no hita ao an-toerana mandritra ireo roa andro ireo. « Sehatra mbola malalaka amin’ny tontolon’ny fandraharahana ara-kolontsaina na ny « industrie culturelle et créative » ny sehatry ny fakana sary. Mbola afaka hivelarana tsara mihitsy saingy mbola ilaina ny fanatsarana hatrany », hoy Fetra Rakotondrasoava, Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Serasera sy ny kolontsaina. Mbola sehatra azo idirana tsara ity sehatra ity saingy tsy maintsy ilaina hatrany ny zava-baovao. Isan’ny ilaina ihany koa ny hetsika toy izao hahafahana mitady ny fanatsarana mila atao.

Fampivondronana

Hetsika voalohany indrindra eo amin’ny tontolon’ny fakana sary sy ny fanaovana horonantsary ity Photomania ity. Mandritra ireo roa andro ireo dia maro be ny mpisehatra ary amin’ny karazany samihafa no ho hita ao. Ankoatra ireo mpaka sary dia ho hita ao ihany koa ireo mpanatontosa horonan-tsary samihafa. Ankoatra izay anefa dia tsy hijanona ho toerana fampirantiana fotsiny ny trano evan’ireo mpaka sary fa ho lasa « studio » hahafahana maka sary araka izay ilaivana azy. Etsy ankilany dia ho hita ihany koa ireo fitaovana samihafa hahafahana mamoaka printy ireo sary mba hahafahana mankafy izany. Tsy afa-misaraka amin’izany ny mpanao haingo isan-karazany na ireo mpanao « maquillage » izany na ireo mpanaingo sehatra samihafa. Fotoana iray ihany koa hahafahan’ireo tanora vao misandratra mahazo traikefa amin’ireo lafiny rehetra ireo ity fotoana ity. Ao anatin’izany izy ireo no afaka mampivoatra ny asany.

Lire la suite

Articles Similaires