• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Fédération Française Des Diabétiques
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fahasalamana : ireo tsara fantatra mikasika ny « prédiabète »

27/09/2024 13:34 © Moov.Mg

Maro tokoa ireo olona manana toe-batana diabetika eto amintsika. Raha tsy voatsabo ara-dalàna ny diabeta dia mety mitarika fahasarotana ara-pahasalamana maro, toy ny fahatapanan’ny lalan-drà, fery tsy mety sitrana eo amin’ny rantsam-batana… Alohan’ny fanana toe-batana diabetika sokajy faharoa dia mety mbola mandalo ny atao hoe « prédiabète » ny olona iray. Fa inona tokoa moa ny « prédiabète » ? Ahoana ny fisehony ? Inona no tokony hitandremana azy io ?

Inona no atao hoe « prédiabète » ?

Ny « prédiabète » dia toe-batana miavaka amin’ny fahabetsahan’ny tahan’ny siramamy ao anatin’ny rà izay mihoatra ny tokony ho izy nefa koa mbola tsy mahatratra ny fatra hamaritana ny diabeta. Karazana fanairana ho an’ny olona izy io satria mety mitarika diabeta sokajy faharoa raha tsy voaray an-tanana ara-dalàna.

Ny mahazava-dehibe ny « prédiabète »

Tsy azo hamaivanina ny fisian’ny « prédiabète » eo amin’ny vatana. Fomba iray manampy amin’ny fisorohana ny diabeta sokajy faharoa ny fahitana ny fisian’ny « prédiabète » ao amin’ny vatana sy ny fandraisan-tanana izany mialoha. Rehefa fantatra ireo fambara ahafantarana ny « prédiabète » dia afaka manova ny fomba fiaina hanatsarana ny toe-pahasalamana sy hanakanana ny fivoaran’izany ho lasa diabeta.

Ireo anton-javatra mety mahatonga ny « prédiabète »

Maro ireo anton-javatra mety mitarika ny « prédiabète » ka anisan’izany ny :
-Hatavezana diso tafahoatra ;
-Tsy fampihetsiketsehana ny vatana (tsy fanaovana fanatanjahantena) ;
-Fototarazo, izany hoe misy olona diabetika ny ray aman-dreny na ny ray aman-drenibe ;
-Fandrosoan’ny taona (fahanterana) ;
-Fomba fiaina tsy ara-pahasalamana indrindra ny sakafo.

Ireo fambaran’ny « prédiabète »

Mila fantatra ireo fambaran’ny « prédiabète » mba ahafahana manao fitiliana sy fitsaboana izany aloha. Anisan’ny fomba fisehon’izany ny :
-Fahatsapana mangetaheta matetika be satria miezaka mamoaka ny siramamy mihoatra ao anatiny ny vatana ka lasa mamokatra pipy betsaka ;
-Fivalanan-drano matetika noho ny fisian’ny siramamy be loatra anaty rà ;
-Havizanana lava noho ny tsy fahavitan’ny vatana manodina tsara ny siramamy ho lasa hery ;
-Fanjavozavonan’ny fahitana satria misy fiantraikany eo amin’ny maso ny siramamy be anaty rà.
Raha miseho ny iray na ny maro amin’ireo fambara voalaza ireo dia mila manantona mpitsabo hanatanteraka ny fizahana ilaina. Ny fitiliana ny rà no fomba azo antoka ahafahana mamantatra ny fisian’ny « prédiabète ».

Ahoana ny fitsaboana ny « prédiabète » ?

Satria ny « prédiabète » dia mbola fanairana fotsiny ihany amin’ny fatran’ny siramamy ambony anaty rà dia mbola azo tsaboina sy sitranina tsara izy io. Ny fampiharana fomba fiaina ara-pahasalamana dia manampy betsaka amin’ny fampihenana ny « risques » hahavoa ny diabeta.
Arak’izany dia mila mihinana sakafo ara-pahasalamana sy voalanjalanja tsara ny olona manao « prédiabète ». Ankoatra izay dia mila manetsiketsika vatana na manao fanatanjahantena isan’andro. Manena vatana raha toa ka matavy loatra. Mety misy fanafody omen’ny mpitsabo ihany koa hanatsarana ny toe-batana.

Lire la suite

Articles Similaires