• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Decathlon Recrutement
Image
Asa & Fianarana

Tanora manana BAC : Santionany amin’ireo asa azo atao

24/09/2024 14:34 © Moov.Mg

Maro eto Madagasikara ireo olona miditra amin’ny sehatry ny asa rehefa manana bakalorea. Mety izany safidy nefa koa noho ny tsy fahafahana manoatra. Tsy sakana ahazoana asa mahavelona nefa izany rehefa vonona hiasa sy hivoatra. Maro ireo sehatr’asa mandray olona manana bakalorea eto amintsika ka santionany amin’ireo asa azo atao ireto manaraka ireto.

Mpivarotra

Isan’ireo sehatr’asa miroborobo ary mitady mpiasa matetika ny sehatry ny varotra raha ny eto Madagasikara manokana. Ireo tranombarotra sy ireo karazana magazay lehibe dia mitady mpivarotra azo itokisana sy matselatselaka handray ny mpanjifa sy hisahana ny varotra. Amin’ny ankapobeny dia voaray amin’io asa io ireo olona manana bakalorea. Mety ho takiana ihany koa nefa ho fanampin’izany ny fahaizana mivarotra sy mitantana vola (caisse).

« Opérateur de saisie »

Asa iray mifototra amin’ny fampidirana « données » anaty « systèmes informatiques » ny « opérateur de saisie ». Mety ahitana tolotr’asa mikasika izany eny amin’ny ireo orinasa eto an-toerana na ny orinasa any ivelany. Tsy dia mila fiofanana manokana ny manao ity karazana asa ity fa mila manana bakaloera farafahakeliny ny mpiasa. Ilaina kosa nefa ny fahaizana mitendry « clavier » malaky sy ny fahafehezana ny « outils bureautiques ».

Mpamily fiarakodia na « chauffeur »

Misy karazany maro ny sehatr’asa afaka hanaovana ny asa familiana fiarakodia. Raha maniry hiasa amin’ny orinasa matetika dia mila manana bakalorea farafahakeliny ny mpamily. Ankoatra izay moa mazava ho azy dia mila manana « permis de conduire » ary manana traikefa amin’ny familiana. Mety takiana amin’izany ihany koa ny fahaizana ny lalana sy ny fahafehezana ny lalàna mikasika ny fifamovoizana eto an-toerana.

« Technicien de maintenance »

Ny « technicien de maintenance » no miandraikitra ny fikolokoloana sy ny fanamboarana ny fitaovana madinika eo anivon’ny orinasa. Afaka misahana ity karazana asa ity ny olona manana BAC sy nanaraka fiofanana fanampiny amin’ny « maintenance » na amin’ny « électronique ». Ilaina ihany koa ny fananana traikefa ara-teknika sy ny fahafahana mandalina mba hampizotra tsara ny asa.

Lire la suite

Articles Similaires