• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Wwf Madagascar
Image
Vaovao

Faritra Diana : Hampiofanina momba ny fitantanana ara-bola ny mponina miara-miasa amin’ny WWF

19/09/2024 16:37 © Moov

Nanatanteraka atrikasa momba ny fanabeazana ara-bola any amin’ny faritra Diana ny WWF Madagascar izay miara-miasa amin’ny CNFI. Ireo mpampiofana ny olona any ifoton’ny toerana hiasan’ny WWF no misitraka ity fanabeazana ity ary izy ireo rehefa avy eo no hampita izany amin’ireo mponina eny ifotony.

Tanjona lavitr’ezaka.

Ny fanabeazana ara-bola dia mitana anjara toerana lehibe amin'ny fandraharahana ara-bola amin’ny lafiny rehetra (inclusion économique). Hahafahan'ny mponina eny ifotony miatrika ireo tsindry sy loza mahazo azy ireo ihany koa izany fahaizana mitantanana vola izany, indrindra any amin'ireo faritra marefo toy ny faritra Diana. Mandray anjara amin'ity hetsika ity ny WWF satria ilaina ny fandraharahana ara-bola mba hanatsarana ny fahafahan'ireo vondron'olona ifotony eny amorontsiraka miharina raha sanatria ka misy loza mahazo azy ireo. Ao anatin’izany ny loza voajanahary, fiantraikan'ny fiovan'ny toetr'andro, ny hain-tany sy ireo maro hafa. Miankina amin'ny rohivoahary an-dranomasina sy ny honko ny fidiram-bola sy ny fiainan'izy ireo amin'ny ankapobeny. Noho izany dia afaka manana loharanom-bola hafa izy ireo sady miaro ny harena voajanahary raha toa ka mora ny fahafahany misitraka rafitra famatsiam-bola samihafa. Anisan’ny ho ampianarina azy ireo araka izany io fomba fitantanana vola nindramina io. Ohatra mivaingana amin'izany ny vondrona tahiry sy ny fampindramam-bola (VSLA) eny anivon’ny fiaraha-monina.

Tokantrano marefo

Amin’izao fotoana izao dia mbola azo lazaina ho tokantrano marefo no mandrafitra ny mponina any an-toerana, indrindra manodidina ireo toerana misy ny WWF any Diana. Raha ny fanazavana dia vondrona VSLA maherin'ny 100 ahitana tokantrano marefo ao amin'ny helodranon'Ambaro sy Nosy Hara no mandray anjara an-tsitrapo amin'io vondrona tahiry sy fampindramamb-bola io. Misy ampahany amin’izany ho ampiasainy amin’ny asa fiarovana ireo ala sy ny tontolo iainana ary ny fambolen-kazo. Izy ireo anefa tsy maintsy mivelona ka izany no antony hampianarina azy ireo amin’ny fitantanana vola mba hahafahany manatanteraka ireo asany rehetra.

Lire la suite

Articles Similaires