• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Santeplusmag
Image
DYI

Fikafika hanitarana ny kiraro manaikitra

18/09/2024 11:22 © Moov.Mg

Maro amintsika no efa sendra ny kiraro manaikitra. Na dia mifanaraka tsara amin’ny habe sy halavan’ny tongotra ary ilay kiraro dia mety mbola hanaikitra sy ho tery ihany rehefa ilay izy vaovao iny. Ireto manaraka ireto ary ny fikafika hanitarana ny kiraro manaikitra.

Asiana gazety mando anatin’ny kiraro hoditra manaikitra

Raha toa ka tery na mihenjana be ny kiraro hoditra dia mety lasa manaikitra. Mila hitarina izany kiraro izany mba hamapahazo aina ny tongotra. Tsotra ny zavatra atao : alaina ny gazety ary lemana rano. Asisika atao mifatratra anaty lohan’ny kiraro io gazety mando io mba hampihitatra izany. Ny hamandoana dia mampalefaka ny hoditra (cuir) ka mampihitatra izany. Mila avela mipetraka ao mandritra ny alina tontolo ireo gazety ireo. Rehefa maraina dia esorina ireto farany ary atapy andro ny kiraro ho maina izay vao hanaovana indray. Raha mbola tsy ampy ny fihitaran’ny kiraro dia afaka averina atao ity torohevitra ity.

Anaovana miaraka amin’ny bà kiraro matevina ny kiraro manaikitra

Manampy betsaka amin’ny famolahana ny kiraro vaovao manaikitra ny fanaoana azy matetika ao an-trano. Mandrapafolaka ny kiraro dia mety harary ny tongotra ka izay no hamolahana azy ao an-trano satria azo esorina rehefa tsy zaka. Mba hanitarana azy ireo malaky kokoa dia anaovana miaraka amin’ny bà kiraro matevina rehefa mamolaka azy. Tsy mandaitra kosa nefa ity torohevitra ity raha toa ka kely loatra ireo kiraro. Izany hoe kiraro mifanaraka ny haben’ny tongotra ihany no afaka anaovana izany.

Mampiasa hatsiaka hanitarana ny kiraro

Raha toa ka tery loatra sy manaikitra ny kiraro vaovao dia manampy amin’ny fanitarana izany ny fampiasana ny hatsiakan’ny « congélateur ». Alaina ny « sacs congélation » anankiroa, izany hoe ilay « sachets » mety mihidy fanao anaty vata fampangatsiahana, ary asiana rano ao anatiny. Ireo « sacs » ireo no atao anatin’ny kiraro avy eo miaraka fonosina anaty « sacs congélation » hafa ireo kiraro. Atsofoka anaty « congélateur » izy rehetra ary avela hivaingana ao mandritra ny tontolo alina. Lasa hitarin’ilay ranomandry ilay kiraro ka tsy hanaikitra intsony. Mazava ho azy fa mila hamainina aloha ny kiraro vao hanaovana indray.

Lire la suite

Articles Similaires