• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 9 hatramin'ny 15 septambra 2024

16/09/2024 00:03 © Moov

Atolotra anao indray ireo vaovao nanamarika ny herinandro lasa teo, dia ny alatsinainy 9 septambra hatramin'ny alahady 15 septambra

CUA # Nodimandry ny PDS teo aloha, Richard Ramanambitana

Ny alakamisy 12 septambra lasa teo no nodimandry ny PDS-n'Antananarivo Renivohitra, sady Loholon'i Madagasikara teo aloha, Richard Ramanambitana. Nitsabo tena naharitra ny tenany, ka antony nanoloana ny toerany izany. Nanomboka ny zoma 13 septambra no niandrasana ny nofomangatsiakany tao amin'ny Lapan'ny Tanàna Analakely. Androany alatsinainy 16 septambra no hanatanterahana ny fanaovambeloma farany azy. Roa herinandro moa izay no nandraisan'ny PDS vaovao, Harilala Ramanantsoa, ny fitantanana an'Antananarivo Renivohitra.

OVEC # Vitsy ireo mpanatitra antontan-taratasy

Tsy hihemotra ny fifidianana Ben'ny Tanàna sy Mpanolotsaina, saingy mety hisy ny fanalavana ny fe-potoana fanaterana ny antontan-taratasy dilatsahan-ko fidiana manerana ny Nosy. Raha ny teto Antananarivo Renivohitra manokana, olona iray ihany no nanatitra ny antontan-taratasy, dia ny Filoham-pirenena teo aloha, Ravalomanana Marc. Natolotry ny vondrona politika Firaisankina moa ny tenany. Ny faran'ny herinandro teo nefa dia fantatra fa nolavin'ny OVEC ny filatsahany ho fidiana noho ny tsy fananany ny taratasy fanamarinana ny fandoavan-ketra 211 Bis. Hatramin'ny androany alatsinainy 16 septambra izany dia tsy mbola misy kandidà ofisialy eto Antananarivo Renivohitra.

OMDA # Miampy 9 ireo mpanakanto mandray fisotroan-dronono

Miampy 9 ireo mpanakanto misitraka ny fisotroan-dronono ao amin’ny Ofisy Malagasy miaro ny Zon’ny Mpamorona, ka anisan'izany i Honorat (Fou hehy). Miisa 170 izy ireo amin’izao fotoana raha 161 teo aloha. Isan’ny fepetra hahatongavana amin’izany ny 20 taona naha mpikambana ny mpanakanto tao amin’ny OMDA, eo koa ny nandraisany ny zon’ny mpamorona nandritra ny 15 taona.
Isan’ny fitarainana nataon’ireo mpanakanto ny fahakelezan’ny fisotroan-dronono raisina isaky ny 3 volana. Vonona ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina hiara-dia amin’izy ireo hanao ny tolona amin’ny hanatsarana bebe kokoa izay tontolon’ny maha olona izay araka ny nambaran’ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Mara Volamiranty Donna. Hanao ady sisika mafy mikasika ny satan’ny artista koa ny minisitera araka ny nambarany.

FIA # Tsenabe iraisam-pirenen'ny Famokarana

Ny 12 hatramin'ny 15 septambra lasa teo no nanatanterahana ny "Foire Internationale de l'Agriculture" (FIA) andiany faha-6, teny amin'ny Zone Forello Tanjombato. Izany hetsika izany dia nokarakarain'ny Ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana ahafahana mampivelatra ireo Tantsaha mpamokatra amin'ny alalan'ny atrikasa famelaberan-kevitra ho fampivoarana ny sehatry ny Famokarana. Anisan'ny tanjona ny nampifandraisana ireo mpamokatra amin'ireo mpandraharaha ara-pamokarana sy fitadiavana lalam-barotra amin'ny alalan'ny varotra fampirantiana amin'ireo trano eva isankarazany.Nisitraka vokatra ara-pahasalamana ihany koa ireo mpitsidika. Nandray anjara sady nanohana ny FIA 2024 moa ny orinasa Telma.

FOCAC # Miara-miasa amin'i Chine i Madagasikara

Nisokatra tamin'ny fomba ofisialy ny 5 septambra tao amin'ny Grand Palais du Peuple ao Beijing ny Fihaonana an-tampony andiany faha-9 eo amin'ny fiaraha-miasan'i Sina sy Afrika na FOCAC 2024. Nanao fanambarana ny Filoha Sinoa Xi Jinping nandritra ny lanonam-panokafana izany FOCAC 2024 izany mikasika ireo hetsika hiaraha-miasa miisa 10 izay hotanterahan'i Sina sy Afrika mandritra ny telo taona manaraka ka 360 lavitrisa yuans na 50 lavitrisa dolara hoy izy no vola hatokan'ny Governemanta sinoa hamatsiana izany.
Taorian’ny lanonam-panokafana dia nandray anjara tamin'ny fivoriana momba ny fampiroboroboana ny indostria sy ny fampivoarana ny fambolena ihany koa ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina. Nozarainy nandritra izany ny vina sy ny fanamby napetraky ny Fitondram-panjakana malagasy sy ireo lalam-piaraha-miasa mety hiarahan'i Madagasikara sy Sina

Tetikasa PRRC # Fampandrosoana ny faritra atsimon'ny Nosy

Natomboka tamin'ny fomba ofisialy tamin'iny herinandro iny ny "𝑃𝑟𝑜𝑗𝑒𝑡 𝑅𝑒́𝑔𝑖𝑜𝑛𝑎𝑙 𝑝𝑜𝑢𝑟 𝑙𝑎 𝑅𝑒́𝑠𝑖𝑙𝑖𝑒𝑛𝑐𝑒 𝐶𝑙𝑖𝑚𝑎𝑡𝑖𝑞𝑢𝑒", na PRRC. Io tetikasa io dia entina hampandrosoana ny faritra atsimon'ny Nosy. Hisy ny fananganana tohadrano lehibe eo amin’ny renirano Mandrare ary hapetraka ao amin’ny Kaominina Mahaly. Io tohadrano io dia hanome herinaratra 1,9 MW hamatsiana jiro ny tanàna madinika maro amin’ny tapany avaratr’Amboasary ka hatrany Ambovombe.
Hisy andiana fantsona roa lehibe hitondra rano hatrany amin’ny 330 kilometatra ho rano fisotro madio ary hanondraka velaran-tany mahatratra 16.000 hekitara ao amin’ny distrikan’i Amboasary sy Ambovombe. Mponina miisa 500.000 mahery no hahazo tombony amin'ny fametrahana io tohadrano lehibe io.

Fanadiovana # Misy lamina vaovao eto Antananarivo Renivohitra

Misy karazana "Barrières" mipetraka ny eny Behoririka. Tsy afaka mihoatra izany ireo mpandeha an-tongotra, mba hampalalaka ny arabe fandehanan'ny fiara. Nifindra eny Anosy ihany koa ireo mpivarotra amoron-dalana teny Analakely sy ny manodidina. Tsy adino ny fanalana ireo mpatory an-dalana.
Mitohy ny asa fanalàna ny fako tao aorian'ny fidiran'ny mpianatra izay isan'ny vanim-potoana mampisavovona ny fako. Isan'ny anatanterahana izany ny eny Besarety, Betongolo, Ampasapito akaikin'ny Gamo, Andranobevava , Nanisana, Aosivavaka, Ankorondrano, Ambodin'Isotry, Andohatapenaka, Ilanivato, ary Ambodin'Isotry. Ny tanjona dia ny ahafahana mifehy ny fako mba tsy hihoatra ny daban-jaoridira.

Anjozorobe # Avotra ireo takalonaina

Nandresy ny ady natao tamin'ireo olon-dratsy tao Ambatomanoina Anjozorobe. Efa tamin'ny 22 jolay no nisy nitranga izany, nefa ny 13 septambra vao tafaverina, velon'aina, ireo tovovavy roa nataon'ny dahalo takalon'aina. Taorian'ny fikarohana sy haza lambo dia voatery navotsotr'ireo mpaka an-keriny izy roavavy. Efa eo ampelatanan'ny mpitandro filaminana izy mirahavavy ary salama tsara tsy nisy ny fifampiraharahana ara-bola.
Any an-kianja avokoa ireo mpitandro filaminana izay efa napetraka hanao ny asa fampandrian-tany ary mitohy hatrany izany fametrahana ny vahoaka ho eo ambany fandriam-pahalemana izany.

Arivonimamo # Nahazo fanampiana avy amin'ny US Embassy ireo zaza kamboty

Nanolotra fanomezana tao amin'ny Akany Zandarimaria Arivonimamo ny masoivohon'i Etazonia Eto Madagasikara, noho ny fanombohan'ny taom-pianarana vaovao. Ankizy miisa 84, izany hoe ireo beazina rehetra, no nisitraka fitaovam-pianarana sy fanampiana ara-tsakafo.
Nohamafisin'ny Ambasadaoro Amerikana Claire Pierangelo ny hasarobidin'ny fanabeazana amin'ny famolavolana ny ho avin'ny ankizy sy ny famporisihina azy ireo hilofo hatrany hanatanteraka ny nofiny. Manamafy ny fiarahamiasa amin'ny mpitandro ny filaminana sy amin'ny fanohanana ny tanora Malagasy hanana ho avy mamiratra hatrany i Etazonia.

Lalampirenena # Mitohy ny asa fanarenana

Nihaona tamin’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny notarihin’ny Minisitry ny Asa Vaventy, Andriamatoa Rafidison Richard Théodore, ny Lehiben’ny Governemanta Ntsay.
Nifantohan'ny fifandinihana ny mahakasika ireo asa fanarenana sy asa fanamboarana ireo làlampirenena izany ka anatin’izany ny RN2, RN4, RN6, RN7, RN5, RN3A (hatrany Andilamena). Nodinihina manokana ny tokony hanombohana fara-fahaingana ny asa fanamboarana ny RN10 sy ny RN31 ary ny tokony hojerena indray ny fe-potoam-panatanterahana azy. Noresahana ny mahakasika ireo asa lehibe efa mandeha amin’izao fotoana izao, toy ny RN13, RN12A, RN6 (Ambanja # Antsiranana), RN44 ary ny RN5 (Soanierana Ivongo # Vahibe, Mananara). Mahakasika manokana ny RN6, nohamafisina ny tokony hanombohan’ny asa fanadihadiana mahakasika ny fametrahana tetezana vaovao ao Ifasy sy Mahavavy. Tokony hapetraka alohan’ny faran’ny volana novambra ho avy izao ny bacs anankiroa eo amin’ireo renirano ireo.

Lire la suite

Articles Similaires