• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Premier Men'S Medical Center
Image
Sexualité & Mariage

Fananahan’ny lehilahy : ireo tsara fantatra mikasika ny Viagra

13/09/2024 13:41 © Moov.Mg

Maro ny lehilahy manana olana mikasika ny tsy fahatomombanana eo amin’ny filahiana. Na dia misy aza ny filàna ara-nofo dia tsy mety mihenjana ny filahiana na mora maty ny filahiana ka tsy afaka miray ara-nofo na tsy mahazo fahafinaretana amin’izany. Isan’ny vahaolana maro mampiasa ny Viagra. Fa inona tokoa moa ny Viagra ? Ahoana ny fiasan’izany ? Inona no mety ho fiantraka ratsiny ?

Inona no atao hoe Viagra ?

Ny Viagra dia fanafody iray ampiasaina hitsaboana ny tsy fahatomombanan’ny filahiana, toy ny tsy fihenjanan’ny filahiana na ny fahalemen’ny filahiana mandritra ny firaisana ara-nofo. Maro moa ireo antony mety mahatonga izany tsy fahatomombanana eo amin’ny filahiana izany, toy ny rarintsaina, ny fahazoana taona (fahanterana), ny fihinana fanafody sasany na koa ny olana ara-pahasalamana toy ny diabeta, ny aretin’ny fo…

Ahoana ny fiasan’ny Viagra ?

Ny Viagra dia mampitombo ny fitosaky ny rà mankany amin’ny filahiana. Rehefa taitra ara-nofo ny lehilahy dia manampy azy hampihenjana mafy ny filahiana sy hitazona izany tsy ho mora malemy ny Viagra. Arak’izany dia tsy afaka miasa irery ny Viagra fa mila taitra ara-nofo (excité) ilay lehilahy vao afaka miasa ity fanafody ity.
Amin’ny ankapobeny dia manomboka miasa izany aorian’ny 30 minitra nihinanana azy. Mety maharitra mandritra ny adiny 4 moa izany fiasany izany. Marihana fa tsy midika akory izany hoe mihenjana tsy ankiato mandritra ny adiny 4 tsy ankiato ny filahiana rehefa mihinana Viagra. Ny marina dia afaka mampienjana ny filahiana mora kokoa izany rehefa taitairina ara-nofo ilay lehilahy mandritra io fe-potoana io.

Tsy misy atahorana ve ny fihinanana Viagra ?

Toy ny fanafody rehetra dia mety misy vokadratsiny na « effets secondaires » ny fihinanana Viagra. Anisan’ireo mateti-pitranga ny aretin’andoha, ny « bouffée de chaleur », ny fanjavonana eo amin’ny fahitana.
Arak’izany dia mila manantona mpitsabo hatrany raha mahatsapa tsy fahatomombanana eo anivon’ny filahiana. Ny mpitsabo no mamaritra ny antony mety mahatonga izany tsy fahatomombanana izany sy manome ny fitsaboana sahaza amin’izany. Izy ihany koa no mamaritra ny karazana Viagra sy ny fatra fihinanana izany raha ilaina.
Marihana fa tsy « aprhodisiaque » na hoe mampitombo ny filàna ara-nofo ny Viagra. Ny asany dia mampihenjana ny filahiana rehefa taitra ara-nofo (excité) ilay lehilahy.

Lire la suite

Articles Similaires