• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mycake
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanaovana Pancake malefaka sy matsiro

12/09/2024 13:41 © Moov.Mg

Nahandro iray malaza any Etazonia ny Pancake. Atao sakafo maraina moa no tena hinanan’ireo Amerikanina azy. Azo atao tsara ny mikarakara azy ao an-trano ary dia mora atao sy tsy mila akora be ihany koa. Araho ary ny fanaovana Pancake.

Ireo zavatra ilaina

-Lafarina 125g ;
-Atody 2 ;
-Ronono 150ml ;
-Siramamy 3 sotro fihinanana ;
-Levure ½ ny sotrokely ;
-Sira 1 tsongo ;
-Dibera handrahoana azy.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy

Sarahana ny tamenak’atody sy ny tapotsiny. Ny tamenany atao anaty bol iray ary ny tapotsiny atao anaty bol hafa.
Araraka anatin’ilay tamenak’atody ny ronono sy ny siramamy dia kapohana miaraka. Arotsaka ao manarak’izay ny lafarina, ny levure sy ny sira. Tohizana kapohana hatrany. Rehefa mifangaro tsara dia ampidirina anaty vata fampangatsiahana mandritra ny 15 minitra. Raha tsy misy vata fampangatsiahana dia avela hipetraka amin’ny toerana mangatsitsiaka fotsiny.
Kapohana indray ny tapotsin’atody. Atao mitombo sy lasa fotsy tsara na hoe « en neige ». Mba atongavana amin’izany dia kapohana malefaka aloha dia avy eo atao somary mihamafy miandalana. Rehefa vonona dia arotsaka tsikelikely ny fangaro navela nipetraka kely teo sady aroharoana moramora amin’ny fouet mba hifangaro.
Osorana dibera ny lapoaly ary ataingina ambony afo malefaka. Rehefa mafana dia arotsaka ny paty ary tokony eo ho eo amin’ny 1 sotrobe jobo na louche.
Rehefa manomboka misy bontsibontsina miforona dia avadika ny Pancake. Avela ho mendy eo mandritra ny 1 minitra dia esorina. Atao izay hatrany ny paty ambiny.
Fanamarihana :
Toy ny manendy crêpe ny fanendasana azy ambony lapoaly. Ny maha samy hafa azy dia tsy atao manify be ary tsy atao miparitaka mameno ny lapoaly ny Pancake fa aparitaka kely fotsiny sy ajanona matevina. Rarahana « sirop d’érable » eo amboniny no fomba fihinanan’ny Amerikanina azy io. Raha tsy misy « sirop d’érable » kosa nefa dia azo hoanina miaraka amin’ny tantely, confiture, pâte à tartiner, caramel au beurre salé, voankazo…

Lire la suite

Articles Similaires