• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Baisse-Libido
Image
Sexualité & Mariage

Lehilahy : ireo anton-javatra mety mampihena ny filàna ara-nofo

12/09/2024 11:35 © Moov.Mg

Misy fotoana mety mihena ny filàna ara-nofo eo amin’ny lehilahy. Matetika moa dia mandalo ihany izany tsy fahazotoana hiray ara-nofo izany. Raha toa kosa ka maharitra loatra izany dia mety miteraka olana eo amin’ny mpivady. Fa inona tokoa ireo anton-javatra mety mampihena ny filàna ara-nofo eo amin’ny lehilahy ?

Ny olana eo amin’ny ara-batana

Isan’ireo anton-javatra matetika mampihena ny filàna ara-nofo eo amin’ny lehilahy ny olana ara-batana. Anisan’izany ny :
Tsy fahampian’ny « testostérone ». Ity farany moa dia hormonina mandray anjara lehibe amin’ny famotian’ny tsirinaina sy ny fandrisiana ny filàna ara-nofo eo amin’ny lehilahy. Mazava ho azy fa rehefa mihena izy io dia midina ny fahazotoana hiray ara-nofo.
Tsy fahatomombanana eo amin’ny filahiana. Miseho amin’ny fomba maro izany, toy ny hoe tsy mety na sarotra mihenjana ny filahiana, tsy mahavita mamoaka ranon’aina na tsy mety mahazo fahafinaretana, vetivety loatra dia tonga ny ranon’aina, malemy tampoka ny filahiana mandritra ny firaisana ara-nofo… Ny fisian’izany tsy fahatomombanana eo amin’ny filahiana izany matetika dia mampihena ny filàna ara-nofo na ny fahazotoana hiray ara-nofo.
Fihinanana fanafody misy fiantraikany eo amin’ny filàna ara-nofo. Misy karazana fanafody izay mety mampihena ny filàna ara-nofo eo amin’ny lehilahy (effets secondaires). Amin’ny ankapobeny nefa dia mandalo fotsiny ihany izany ary misinda rehefa tapitra ny fotoana fihinanana izany fanafody izany.
Fisian’ny areti-mitaiza. Misy ihany koa ireo karazana areti-mitaiza mety miteraka fihenan’ny filàna ara-nofo eo amin’ny lehilahy. Anisan’izany ohatra ny diabeta, ny aretina mahazo ny atidoha, ny aretin’ny voa, ny VIH, ny hatavezana diso tafahoatra…

Ny olana ara-tsaina

Maro ihany koa ireo olana ara-tsaina mampihena na tsy mampisy ny filàna ara-nofo eo amin’ny lehilahy. Anisan’izany ny :
Tebiteby, rarin-tsaina, ny adin-tsaina sy ny arerahana ara-tsaina. Ny lehilahy tratry ny rarin-tsaina lava vokatry ny asa sy ny olana samihafa ara-piainana dia mihena tsikelikely ny faharisihany hiray ara-nofo. Raha toa ka tratry ny fahaketrahana dia lasa tsy milamin-tsaina intsony hany ka manjary mihena ny filàna ara-nofo.
Fiatrehana tranga nandratra ny fo sy ny saina toy ny herisetra ara-nofo natao taminy, fampirafesana… Mety mitamberina ao an-tsaina ireo tranga ireo rehefa mieritreritra ny hiray ara-nofo ka lasa tsy mazoto tampoka. Mety mitarika amin’ny fihenan’ny filàna ara-nofo moa izany raha mitohy mandritra ny fotoana maharitra.
Tsy fahazoana fahafinaretana mandritra ny firaisana ara-nofo. Maro lehilahy lasa tsy mazoto miray ara-nofo intsony noho ny tsy fahazoana fahafinaretana isaky ny miray ara-nofo. Mety ho avy aminy ny fototry izany nefa koa mety avy amin’ny vehivavy miray aminy. Raha mitohy moa izany dia mety lasa tsy te hierika firaisana intsony mihintsy izy.

Ny vahaolana amin’ny fihenan’ny filàna ara-nofo eo amin’ny lehilahy

Satria maro ireo anton-javatra mety mahatonga ny fihenan’ny filàna ara-nofo eo amin’ny lehilahy dia mila fantarina aloha ny anton’izany vao mikaroka ny vahaolana mifandraika aminy. Amin’ny ankapobeny dia manampy betsaka amin’ny fampitomboana ny filàna ara-nofo ny :
Fandaminana ny fomba fiaina. Izany hoe mila kolokoloana ny vatana sy ny saina mba hilamina sy hatanjaka tsara. Anisan’ny fomba atao amin’izany ny fihinanana sakafo ara-pahasalamana, ny fizarana manao fanatanjahantena, ny fahampiana torimaso, ny fakana fotoana hialana voly… Manampy amin’ny fisorohana sy ny fampitoniana ny rarin-tsaina ihany koa moa izany.
Mihinana ireo sakafo sy fanampin-tsakafo mampitombo ny filàna ara-nofo. Maro ireo karazana sakafo fantatra fa miasa amin’ny fampitomboana ny filàna ara-nofo raha tsy hitanisa afatsy ny sakamalaho. Asiana sakamalaho ny loaka, misotro dite sakamalaho, asiana sakamalaho kely ny ranom-boankazo… Misy ihany koa ny fanampin-tsakafo (compléments alimentaires) toy ny « complexes multivitamines » manampy amin’izany ka eny amin’ny farmasia no ahitana azy.
Mifampiresaka amin’ny vady. Manampy betsaka amin’ny fampitomboana ny filàna ara-nofo eo amin’ny lehilahy ny fifampiresahana amin’ny vady. Mifampiresaka mikasika io olana io sy ny antony mety mahatonga izany. Raha tsy vonona iresaka io olana io dia afaka miresaka momba ny olana ara-kasa na ara-piainana izay manavesatra ny saina sy mahatonga ny rarin-tsaina. Rehefa izay dia miara mikaroka vahaolana ny mpivady mba hanamaivana ny adin-tsaina mampihena ny filàna ara-nofo eo amin’ilay lehilahy.
Manantona mpitsabo. Mety mila fandraisan-tanana manokana avy amin’ny mpitsabo ny fanarenana ny fihenan’ny filàna ara-nofo eo amin’ny lehilahy raha toa ka efa nandramana avokoa ireo vahaolana ka tsy nahitana vokany. Ny mpitsabo no mamaritra ny fitsaboana ara-batana na eo amin’ny ara-tsaina sahaza izany.

Lire la suite

Articles Similaires