• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cua
Image
Vaovao

Havatsa Upem- « Dia Rodoben’ny vakiboky eny an-dalambe »

06/09/2024 20:28 © Moov

Mpanoratra, mpankafy sy olon-tsotra maro no tonga nandray anjara tamin’ny andiany fahatelon’ny « Dia Rodoben’ny vakiboky eny an-dalambe », izay sady fankalazana ny faha-72 taonan’ny fikambanana Havatsa Upem androany.

Niainga teo anoloan'ny Lapan'ny tanàna Analakely ny dia, nihodina teny amin'ny Gara Soarano, namakivaky ny sisin'ny araben'ny fahaleovantena ary nifarana teny amin'ny Tahala Rarihasina. Fomba entin’ny fikambanamben’ny mpanoratra avy ao amin’ny Havatsa upem hanamarihana ny volana septambra, izay volan’ny haisoratra izany, ary natokana ho andron’ny haisoratra kosa ny androany 6 septambra. Samy nitondra ny boky nanamarika azy ireo nanao ny rodobe. Nisy ireo nitantara angano, tao ny namaky sombin-tantara sy tononkalo, izay novakiana tamim-peo avo. Narahina sora-baventy sy vata fanamafisam-peo ihany koa ny hetsika, nampisehoana tamin’ireo manodidina fa maro ireo mbola mankafy mamaky boky amin’izao vanim-potoana ankehitriny izao. Ny tanjon’ny « Dia rodoben’ny vakiboky » dia ny hanairana ireo olona, hanentanana azy ho tia vakiboky. Ireo andian’olona mpitia haisoratra no mirohotra maneho eny an-dalambe fa tsy misy mahasolo ny boky raha te hanovo fahalalana. Hita ho afa-po tamin’ny hetsika ireo mpandray anjara. Mbola ilaina ezaka kosa, hoy ireo mpikarakara, ny famerenena izay fahazotoana mamaky boky izay ho an’ny fiarahamonina.

Mijoro ho an’ireo tia vakiboky

Poeta, mpanoratra ary mpanao gazety miisa 15 mirahalahy no namorona ny fikambanana havatsa UPEM (Unions de des poetes et écrivains malgaches ) ny 6 septambra 1952, izay nahitana an’i Régis Rajemisa Raolison, Elie Charles Abraham, Daud Ratsarazaka, Dox Razakandraina, Ener Lalandy, Pénombre Andriampenomanana, Jean Louis Razafindratre, Odeam Rakoto, Pierre Janvier Abraham, Michel Guste Rakotonirina, Raymond Abraham, Nivo-Hary, Flavien Ranaivo ary Michel Paul Abraham Faustin Raharison. Ankehitriny, mbola mijoro ary ao anatin’ny heriny tanteraka ny fikambanana. Tsy niova ihany koa ny foto-kevitra : izay tia vakiboky, tia fahalalana, tia fandrosoana.

Lire la suite

Articles Similaires