• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mdat
Image
Vaovao

Fampandrosoana : Vonona ny drafi-panajariana ny Tany Iraisan'ny kaominina ao amin’ny Faritra Atsimo Andrefana

06/09/2024 08:40 © Moov

Natolotra ireo kominina miisa dimy ao amin’ny faritra Atsimo Andrefana ny « drafi-panajariana ny tany iraisan’ny kaominina (SAIC)” ho azy ireo. Samy hampihatra izany avokoa ny kaominina Soalara Atsimo, Anakao, Beheloka, Efoetse, Itampolo ao amin'ny Distrikan'ny Toliara II sy Ampanihy Andrefana.

Tombontsoan’ny vahoaka

Ity Drafitra ity no ho ampiasain’ny mponina any amin’ireo kaominina miisa dimy ireo ary manankery mandritra ny 15 taona indray izany. Hitondra tombony ho an’ny vahoaka izany ary indrindra afaka hanampy azy ireo amin’ny fandaminana sy ny fikoloana ny tanàna. Marihina moa fa voarakitra ao anatin'izany ireo torolàlana ho an'ny fandaminana sy fampandrosoana ny kaominina. Mampifandray ny politika sy ny fandaharan’asa isam-paritra ihany koa io drafitra io. Tsy latsa-danja amin'izany ny tombontsoan'ny vondrom-bahoaka hitsinjaram-pahefana. Ny tanjon’ity drafitra ity amin'izany dia ny hametrahana ny vinavina hatao eo anivon’ny faritra. Ao ireo toerana voakasiky ny fampandrosoana, ireo toerana arovana, ireo toerana hitarihana ny fampandrosoana ary ihany koa ireo fampifandraisana ilaina amin’ireo Kaominina isan-karazany.

Hampitombo ny toe-karena

Anisany hampitombo ny toekarenan'i Madagasikara ny fampiharan'ny faritra Atsimo Andrefana ny drafi-panajariana toa izao satria mandrindra ireo otri-karena azo trandrahina izany. Tsara moa ny manamarika fa manankarena harena voajanahary maro ny faritra Atsimo Andrefana, ao anatin’izany ny zava-maniry sy ny biby izay afaka hampiroboroboana ny fizahantany ao aminy. Ao ihany koa ireo ranomasina sy ireo morontsiraka maro be. Anisan’ny tafiditra ao anatin’ny drafitra ny fanatsarana ireny mba ho tombony ho an’ny toe-karena. Izay anisan’ny hanala ny Malagasy maro amin’ny fahantrana. Naneho ny fahavononany ireo tompon'andraikim-panjakana eny an-toerana nandritra ny fanolorana io drafitra io. Nisy araka izany ny fanaovana sonia ny satan'andraikitra izay niarahan'izy ireo tamin'ny Ben'ny tanàna voakasikin'ny SAIC.

Lire la suite

Articles Similaires