• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 25 hatramin'ny 1 septambra 2024

02/09/2024 00:03 © Moov

Atolotra anao indray ireo vaovao nanamarika ny herinandro lasa teo, dia ny alatsinainy 25 hatramin'ny alahady 1 septambra 2024

CUA # Nahazo PDS vaovao

Voatendry ho PDS-n'Antananarivo i Harilala Ramanantsoa, ho mpisolo toranas an'i Richard Ramanambitana. Ny alarobia 28 aogositra ny tenany no nandray ny asany tamin'ny fomba ofisialy.
Ny alakamisy 29 aogositra, nidina ifotony teny amin'ny Tsenan'Anosibe ny PDS vaovao. Niara-dia taminy nandritra izany ny Lehiben'ny tsena, ny tompon'andraikitra eo anivon'ny Boriborintany faha-efatra ary ny Lehiben'ny Vondron'ny Polisy monisipaly, ny Commissaire principal de police Ostrom WHENSS. Nifanakalo tamin'ireo mpivarotra sy tompon'andraikitra teny an-toerana ny PDS, sady nihaino ireo fitarainana. Tanjona ny hitondrana fanatsarana ity tsena lehibe eto an-drenivohitra ity, indrindra ny eo amin'ny lafiny fahadiovana, fidiovana sy filaminana.

Anjozorobe # Nahafatesana olona 5 ny fakana an-keriny

Lehilahy miisa 5 no maty novonoin'ireo mpanao takalon'aina ao Marotsipoy Anjozorobe. 17 taona ny zandriny indrindra,ary manodidina ny 30 taona kosa ny 4 ambiny. Tsy nahavita nandoa ny vola 200 tapitrisa ariary ireo fianakaviana. Efa 3 herinandro moa no nitazoman'ireo jiolahy ireo takalon'aina ireo. Namerina niantso ireo mpaka an-keriny ny 29 aogositra, ka rehefa tsy nanome vola dia novonoiny tamin'io andro io ihany ireo takalon'aina. Manao antso avo ny mponina ao Anjozorobe, satria matetika loatra ny fisian'ireo mpaka an-keriny. Nanome toromarika ny amin'ny hijerena manokana izany raharaha izany ny filohampirenena. Efa misy amin'ireo ahiahiana moa no nandefasana ombay mitady.

Manjakandriana # Fasana 3 no nisy namaky

Nitrangana vaky fasana ny alin'ny Talata 27 Aogositra 2024 lasa teo tao Ambohitraivo, fokontany sy kaominina Alarobia Ambatomanga, distrikan'i Manjakandriana.
Vokany, fasana 03 no vaky ka razana maherin'ny 20 very. Lasa avokoa ireo taolan-dava rehetra. Niparitaka tao am-pasana ireo lamba rehetra. Razana 02 sisa no tsy voakirakira. Mpaka vilona sendra nandalo no nahatsikaritra korotambato, ka rehefa nanantona akaiky dia fasana efa midanadana no hita. Nampandrenesina ny Fokonolona tao antanàna, nantsoina ireo zandary ka efa tonga teny an-toerana. Mitohy moa ny fanadihadihana.

Antsirabe # Fanolorana maripahaizana ACMIL

Notontosaina ny 30 aogositra lasa teo ny lanonana ofisialy namoahana tamin'ny fomba ofisialy ireo mpianatra ho Manamboninahitra nahavita fianarana tao amin'ny Akademia Miaramila Antsirabe. Mpianatra Manamboninahitra miisa 107 no nivoaka nandritra ny lanonana ara-miaramila Fandresena 2024. Miisa 51 avy amin'ny andiany manokana faha 26 "ANDRIAFO" ary miisa 56 avy amin'ny andiany mivantana faha 45 "Ltn Colonel Hery Rakotomiliarison".
Nampiavaka ny lanonana ny fanolorana ny sabatry ny fibaikoana tamin'ny Filoha Andry RAJOELINA, amin'ny maha lehibe faratampon'ny Foloalindahy azy. Hafatra manokana nomen'ny Filohampirenena ho an'ireto Manamboninahitra ireto ny handresen'izy ireo ny iraka rehetra ataon'izy ireo. Nanome toromarika ny Foloalindahy Malagasy ihany koa ny tenany ny amin'ny tsy maintsy hamongorana ny fakana an-keriny ny samy Malagasy.

Fianarantsoa # Hahazo Coliséum

Efa eo andalam-panamboarana ny Coliséum, sehatra goavana, ao Fianarantsoa. Ny Faritra Matsiatra Ambony araka izany no hanana Coliséum faharoa eto Madagasikara, aorian'Antananarivo. Tamin'ny herinandro teo, efa 70%-n'ny asa no efa vita, araky ny tatitry ny SENVH. Hahazaka mpijery 20 000 be izao io toeram-pijerena hetsika ara-koltoraly isankarazany io. Hisy ihany koa ny efitra natokana ho an'ireo mpiantsehatra sy ireo mpikarakara. Hotohizana amin’ny fanajariana ny « Avenue commerciale » moa ny asa.
" Tsy mijanona ho nofinofy intsony ny fanorenana ny ivom-pampandrosoana ao Ambatomena Fianarantsoa araka ny fanamby napetraky ny Filoham-pirenena " hoy ny eo anivon’ny SENVH Sekreteram-panjakana misahanana ny Tanàna Vaovao sy ny Toeram-ponenana. "Mendrika ny hanana fotodrafitrasa hitondra tosika ho an’ny fampandrosoana sy manome endrika vaovao ny tanàna ny faritra Matsiatra Ambony" raha ny fampitam-baovao hatrany.

Mahajanga # Fankalazana ny faha-40 taonan'ny Faculté de Médecine

Ny 27 aogositra lasa teo no nankalazana ny ivon'ny faha-40 taonan'ny Faculté de Médecine eo anivon'ny Oniversiten'i Mahajanga.Lanonana goavana no nanamarihana izany. Ankoatra ny fandraisam-pitenenan'ireo manampahefana dia nisy ihany koa ny fanomezana marim-pankasitrahana ho an'ireo Sojabe izay nifandimby sy ireo Mpampianatra ary Mpandraharaha nisotro ronono. Tsy adino ny fanomezana amboara ho an’ireo rehetra nivoaka mpandresy tamin'ny hetsika fankalazana ity faha 40 taona ity.
Notanterahana tao amin'ny CHU PZAGA Androva nandritran' ity lanonana ity ihany koa ny fitokanana ny trano famakiam-boky nomerika niarahana niasa tamin'ny ONG WELL INTERNATIONAL, sy ny fametrahana ny vato fehizoron’ny trano famoahana voka-pikarohana, izay tetikasa natao ho tsangambaton'ny faha 40 taonan'ny « Faculté de Médecine ».

Toamasina # Nahazo alalana ny Mercy Ships

Maromaro ireo marary voatery nalefa nody noho ny fiatoan'ny fanaovan'ny Mercy Ships fandidiana maimaimpoana. Ny alarobia 28 aogositra lasa teo, nandritra ny Filankevitry ny minisitra no nakatoavana ny fifanaraham-piaraha-miasa vaovao eo amin'ny Governemanta Malagasy sy ny Fikambanana tsy miankina sady mpanao asa soa Mercy Ships. Tamin'ny taona 2014 moa no natao ny fifanaovan-tsonian'ny fifanarahana voalohany ary tamin'ny taona 2018 no nosoniavina ny tovan'izany fifanarahana izany. Izany indrindra no nilàna fankatoavana vaovao avy amin'ny fitondram-panjakana. Antenaina izany fa hisy lamina vaovao indray mikasika ny fandraisana ireo marary efa tokony hisitraka ny fandidiana.

Antsiranana # Hetsika ara-barotra Foara Meva

Nandray ny hetsika ara-barotra Foara Meva ny tao Antsiranana, ny 27 hatramin’ny 30 aogositra lasa teo. Niisa 100 moa ireo trano heva. Nanday anjara ny ministeran'ny varotra, ka nampiratiana ireo vokatra ODOF (One District One Factory) toy ny divay, chips, paty, menaka, vovoka kakao sy ny maro hafa. Marobe ihany koa ireo vokatra hafa azo nojifaina, natolotr'ireo mpandraharaha ao amin'ny faritra Diana : tantely, sakay, voankazo voahodina, hanitra, asa tanana, sns. Fotoana iray nampivondronana mpandraharaha sy mpiara-miombona antoka maro ny Foara toy io, hisokafana amina tsena vaovao ary hampivoatra ny fandraharahana.

Lavanila # Zaraina ny taratasy fahazoan-dalana hanondrana

Efa navoakan'ny minisiteran'ny Varotra sy ny Indostria ny lisitr'ireo mpanondrana lavanila. Misy ireo mpandraharaha nahazo fanavaozana ny alalana, raha misy kosa ireo mpanondrana vaovao. Manomboka ny Alarobia 28 aogositra 2024 lasa teo àry ny fizarana ny taratasy fahazoan-dalana hanondrana lavanila teny anivon’ny Minisitera misahana ny Varotra Ambohidahy. Notakiana antontantaratasy samihafa ireo mpandraharaha voakasika, toy ny dika mitovy amin'ny kara-panondro sy ny karatra NIF/STAT.
Tsara ny mampahatsiahy fa tafakatra 4400 taonina ny lavanila naondran’i Madagasikara nankany ivelany tamin’ity taom-piotazana 2023-2024 ity. Tafakatra 104 miliara Ariary koa ny vola voaangona ao amin’ny kitapom-bolan’ny Filankevi-pirenena momba ny lavanila (CNV) ho entina hanatsarana ny seha-pihariana lavanila sy ny vokatra lavanila malagasy.

Echecs # Fifaninanana iraisam-pirenena

Manampahaizana ny tanora Malagasy. Miisa 5 ireo solontena Malagasy handray anjara amin'ny 45e Olympiades d’échecs FIDE. Any Budapest no ho tanterahina izany ny 10 hatramin'ny 23 septambra ho avy izao. Samy ananan'i Madagasikara solontena na ny eo amin'ny sokajy lehilahy na eo amin'ny sokajy vehivavy. Ireto avy àry ireo andrarezina hifaninana amin'izany : Fy Antenaina Rakotomaharo, Heri-tiana Andrianiaina , Toavina Razanadrakotoarisoa, Dylan Rakotomaharavo ary Miora Andriamaso­andro. Ao anaty fanomanana tanteraka izy ireo amin'izao fotoana izao. Mankahery sy mirary soa azy ireo. Alefa Madagasikara !

Lire la suite

Articles Similaires