• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Agence Malagasy De Presse
Image
Vaovao

Fitrandrahana : Mangataka ny hanokafana ny Base Toliara ny Pretra ao amin’ny Diosezin’ny Toliara

20/08/2024 10:00 © Moov

Nampiofanina sy nampahafantarina ny tombontsoan’ny fitrandrahana fasimainty ireo Pretra rehetra tao anatin’ny Diosezin’ny Toliara. Taorian’izany dia resy lahatra izy ireo fa tokony sokafana io Base Toliara io. Mangataka amin’ny fitondram-panjakana mihitsy izy ireo araka izany ny mba hanokafana io toeram-pitrandrahana io.

Hanampy ny mpiara-belona

Anisan’ny olona to-teny eo anivon’ny fiaraha-monina Malagasy izany Pretra izany. Io indrindra no antony nanolorana fampiofanana sy fampahafantarana azy ireo mikasika ity fitrandrahana ity. Aorian’izao fiofanana izao ihany koa dia hanentana ny mpiara-belona izy ireo ny amin’ny hiadiana ny fisokafan’io toerana io. « Tombontsoa maro no azo avy amin’ny fitrandrahana ity fasimainty ity. Fomba iray hahafahana mampivoatra ny tanàna izy io raha tsy hiresaka afatsy ny fanolorana asa ho an’ireo tsy an’asa. Ny fanampiana ny velontenan’ireo mponina any an-toerana. Mety hiforona sy hiasa ihany koa ny seranan-tsambo roa vaovao. Inona moa no toe-karena tsy hivoatra amin’izany? », hoy i Mompera Barex, solontenan’ireo Pretra nanatanteraka fiofanana ireo. Raha tsiahivina rahateo dia manankarena fasimainty i Toliara saingy maro ny lokan’ady ara-piaraha-monina sy ara-politika manakana ny fitrandrahana ireo fasimainty ireo. Nilaza ireto Pretra ireto fa mandeha tsara sy azo trandrahina tsara io fasimainty ao an-toerana io ka andrasana ny fanapahan-kevitry ny Fitondram-panjakana. « Harena nomen’Andriamanitra an’ny Toliara ny fasimainty ka tokony entina hampivoarana azy izany », hoy hatrany i Mompera Barex.

Mikolo ny tontolo iainana

Anisan’ny olana iray manakana ity fitrandrahana ity ny tahotra amin’ny fanimbana tontolo iainana. Nanamafy ireto Pretra ireto fa tsy tokony misy atahorana izany. « Efa indroa izao ny tenako no nidina tany amin’ny QMM, Taolagnaro. Amin’izao fotoana izao dia miverina amin’ny laoniny tany satria anisan’ny tanjon’ny orinasa ny hikojakoja ny tontolo iainana », hoy hatrany ity Pretra ity. Raha ny fanampim-baovao rahateo manko dia tsy tokony hanimba ny tontolo iainana ity fitrandrahana ity satria misehatra amin’ny fambolena hazo ny orinasa. Raha io ao Taolagnaro io amin’izao fotoana izao dia maniry tsara ny hazo ary azo lazaina ho miverina amin’ny laoniny ny tany. Ny hany andrasanay mponina aty, hoy ireto Pretra ireto dia ny hisokafan’io toerana io.

Lire la suite

Articles Similaires