• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mum-To-Be Party
Image
Sexualité & Mariage

Fananahan’ny vehivavy : Ireo fambara miseho mandritra ny « ovulation »

05/08/2024 15:36 © Moov.Mg

Ny « ovulation » dia ny fe-potoana mahalonaka ny vehivavy. Izany hoe amin’io fe-potoana io no mety mahabevohoka raha tsy mampiasa fomba fandrindram-piterahana. Efa misy moa ny « test d’ovulation » ahafahana mamaritra azy io ankoatra ny fanisana andro. Ho fanampin’izany dia resahana eto ireo fambara mety miseho mandritra ny « ovulation ».

Mitombo ny « pertes vaginales » rehefa manakaiky ny « ovulation »

Mitombo ny « pertes vaginales » mandeha amin’ny vehivavy rehefa manakaiky ny fotoan’ny « ovulation ». Tsy misy loko na fotsy na mety ho mavo somary matsatso ny lokon’ny « pertes » mandritra izany fotoana izany ary tsy misy fofona. Ireo « pertes » ireo tokoa mantsy no manamora ny lalan’ny tsirinaina mankany amin’ny ovule aorian’ny firaisana ara-nofo. Marihana fa samy manana ny toe-batany nefa ny vehivavy tsirairay ka tsy voatery ho hita be ny fitombon’ny « pertes » eo amin’ny vehivavy sasany amin’io fotoana manakaiky ny « ovulation » io.

Mitombo ny filàna ara-nofo

Mandritra ny « ovulation » dia mitombo ny hormonina vokarin’ny vatan’ny vehivavy. Ireo hormonina ireo dia mampiakatra ny filàna ara-nofo ao amin’ilay vehivavy. Izany hoe mahatsapa te hiray ara-nofo kokoa ny saina sy ny vatany. Marina fa tsy ny vehivavy rehetra no mahatsapa izany mandritra ny « ovulation » satria samy amin’ny toe-batany ny tsirairay. Mitranga eo amin’ny ankamaroan’ny vehivavy kosa nefa io fambara io.

Miakatra ny hafanan’ny vatana

Isan’ireo fambara ahafantarana fa anatin’ny fe-potoan’ny « ovulation » ny vehivavy iray rehefa miakatra ny hafanan’ny vatany. Rehefa vao manomboka ny « cycle » dia antonony ny hafanan’ny vatana. Mandritra ny « ovulation » kosa dia miakatra izany ary tsy miverina midina amin’ny antonony raha tsy tapitra ny « cycle ». Mila mitsapa hafanana isan’andro amin’ny « thermomètre » kosa nefa manomboka ny voalohan’ny fadimbolana mba ahafahana manara-maso io hafanan’ny vatana io.

Manaintaina sy misy krampy ao amin’ny kibo

Isan’ireo fambara miseho mandritra ny « ovulation » ihany koa ny fahatsapana fanaintainana na misy krampy ao amin’ny kibo. Rehefa alohan’ny amoahan’ny « ovaire » ny « ovule » no mitranga io fanaintainana na krampy io ary misinda ho azy rehefa tapitra ny « ovulation ». Tsy voatery hiseho amin’ny vehivavy rehetra ihany koa io fambara iray io.

Mora marary ny nono raha voadona na voakitika

Misy amin’ny vehivavy sasany no mahatsapa lasa toy ny mavesatra sy mora marary ny nono mandritra ny fotoan’ny « ovulation ». Matetika moa dia mora marary ny nono raha voadona na voakitika kely, indrindra ny lohanono. Mety miseho mandritra ny andro vitsy alohan’ny « ovulation » moa izany ary misinda ho azy rehefa tapitra io fe-potoana io.

Fanamarihana

Araka ny efa naverina ombieny teo ambony dia samy manana ny toe-batany ny vehivavy tsirairay ka tsy voatery ahitana ireo fambara voalaza ireo avokoa mandritra ny « ovulation ». Arak’izany dia tsy azo ampiasaina hanaovana fandrindram-piterahana ireo fambara ireo satria mety tsy mitombona ho an’ny vehivavy rehetra.

Lire la suite

Articles Similaires