• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Carnets De Week-Ends
Image
Madagasikara

Fialantsasatra : ireo zavatra entina anaty « trousse à pharmacie »

29/07/2024 15:49 © Moov.Mg

Tafiditra anatin’ny fotoana fialantsasatra tanteraka isika izao ka maro ireo fianakaviana mikonokono sahady amin’ny fikarakarana ny dia. Ankoatra ireo fitafy sy kojakoja samihafa ilaina mandritra ny fialantsasatra dia tsy azo atao ambaninjavatra ny « trousse à pharmacie », indrindra raha mitondra ankizy. Araho eto ary ireo zavatra tokony ho hita anatin’izany.

Fitaovana samihafa hitsaboana ratra

Zavatra mety hitranga ny hoe mianjera dia misy kiaka eo amin’ny vatana, voadidin’ny zavatra maratra… Mba ahafahana mitsabo ireny ratra ireny any amin’ny fialantsasatra dia tsara raha misy ireo fitaovana natokana amin’izany anatin’ny « trousse à pharmacie ». Anisan’ireo tena ilaina ny « compresse », « sparadrap », « désinfectant » ary « pince à épiler » sy hety efa voadio tsara.

Ireo ilaina amin’ny fiarovana ny hoditra

Matetika moa isika rehefa mandeha miala sasatra dia any amin’ny morontsiraka sy ny tany mafana no mandeha. Arak’izany dia mety hafana be ny andro, mety ho betsaka kokoa ny moka… Mila miomana noho izany amin’ny fiarovana ny hoditra. Anisan’ireo mila atao anaty « trousse à pharmacie » ny « crème solaire », ny « pommade » fampitoniana ny hidihidy vokatry ny kaikitry ny moka, ny ody moka ahositra…

Ireo fanafody mety ilaina mandritra ny dia

Mila miomana hatrany amin’ireo fanafody mety ilaina tampoka mandritra ny dia. Tranga mety hiseho tokoa mantsy ny hoe marary kibo, manavy, manaintaina ny nify, manao « allergies »… Alohan’ny handehanana miala sasatra dia tsara raha manontany ny mpitsabo mahazatra (izay mitsabo ny fianakaviana) mikasika ireo fanafody tsara entina mba ahafahana mampitony ny soritr’aretina mandrapahatongavana any amin’ny dokotera (raha ilaina izany).

Lire la suite

Articles Similaires