• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Au Fil Du Thym
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fikarakarana « gratin de pomme de terre » matsiro sy mora atao

25/07/2024 16:34 © Moov.Mg

Ny « gratin » no isan’ireo nahandro matsiro sy manafana rehefa vaninandro ririnina toy izao. Maro moa ny karazana akora sy fikarakarana azo anaovana azy ireny. Ny fanaovana « gratin de pomme de terre » no atoro antsika eto indray. Sady matsiro, tsy be masonkarena be loatra ny mora atao izy ity.

Ireo zavatra ilaina raha hanao « gratin de pomme de terre »

-Ovy 1 kg ;
-Fromazy voakiky 50 g ;
-Atody 1 ;
-Crème fraîche liquide 20 sl ;
-Tongolo gasy 1 ;
-Sira sy dipoavatra ;
-Dibera 15 g.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana ny nahandro

Hafanaina amin’ny hafanana 180°C ny lafaoro.
Voasana, sasana ary tetehana manify dia manify ny ovy.
Voasana ary totoina atao malemy ny tongolo gasy.
Kapohana anaty saladier ny atody. Araraka ao ny crème fraîche liquide dia miaraka kapohana hitambatra tsara. Asiana sira sy dipoavatra.
Maka lasitra fampiasa amin’ny « gratin » ary hosorana ilay tongolo gasy nototoina teo.
Atsonika ny dibera ary ahositra ambonin’ilay tongolo gasy nosorana tamin’ny lasitra. Tsara raha mampiasa ireny « pinceau » fampiasa ao an-dakozia ireny rehefa manosotra ny dibera.
Alahatra anatin’ny lasitra amin’izay ireo ovy notetehana fisaka.
Tondrahana ilay fangaro atody sy crème fraîche liquide. Atao mahazo io fangaro io tsara daholo, tokony tafidina hatrany ambany izy io.
Rarahana fromazy voakiky eo amin’ny tampony ambonin’ny ovy.
Andrahoina anaty lafaoro mandritra ny 45 minitra amin’ny hafanana 180°C dia vita ny nahandro.

Lire la suite

Articles Similaires