• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cuisine Actuelle
Image
Fahasalamana&Sakafo

Mitohana : ny santionany amin’ireo sakafo « laxatifs » natoraly tsara hoanina

05/07/2024 11:29 © Moov.Mg

Samy mety ho tratry ny fitohanana daholo ny olona tsirairay, na ny ankizy na ny lehibe. Mampijaly tokoa izy io satria sady tsy mampahazo aina no tena manaintaina tokoa. Ireto manaraka ireto ary ny santionany amin’ireo sakafo « laxatifs » natoraly tsara hoanina matetika mba hampitoniana sy hisorohana ny fitohanana.

Ny paiso rakena

Isan’ireo karazana sakafo « laxatifs » natoraly mandaitra indrindra hampitoniana sy hisorohana ny fitohanana ny paiso rakena. Manankarena « potassium », vitamina A, fibres sy « fer » moa ity karazana voankazo ity. Ankoatra izay dia mitondra ireo bakteria tsara ao anatin’ny tsinay izy io ka manatsara ny fiasan’izany. Hoanina manta, izany hoe tsy andrahoina, ny paiso rakena mba tsy hisy ho very ireo otrikaina ilaina aminy.

Ny akondro

Ny akondro dia isan’ny voankazo mitahiry fibra indrindra ka mahatonga azy ho sakafo « laxatif » tena mandaitra hiadiana amin’ny fitohanana. Ahitana « potassium » amin’ny tahany ambony ihany koa moa ao aminy. Ny fihinanana akondro iray isan’andro dia mamerina ny « électrolytes » manatsara ny fiasan’ny fandevonan-kanina. Mitahiry singa iray mitondra bakteria tsara anaty tsinay ihany koa moa ny akondro.

Ny paoma

Mitahiry « pectine » amin’ny tahany ambony ny paoma. Ny « pectine » moa dia singa iray mandrisika sy manatsara ny fiasan’ny tsinay. Ahitana fibra betsaka ihany koa moa izy ireny. Mba hisorohana ny fitohanana dia tsara raha mihinana paoma 2 na 3 isan’andro. Mandaitra kokoa moa ny fihinanana azy ireny amin’izao fa tsy andrahoina satria ny fanamasahana azy dia mampihena ireo otrikaina ao anatiny.

Ny « vinaigre de cidre »

Ny « vinaigre de cidre » dia mandrindra ny fiasan’ny tsinay ary manala ireo « toxines » ao anatin’izany. Ahitana singa maro ao anatiny, raha tsy hitanisa afa-tsy ny « pectine », ny « potassium », « acide acétique », kalsioma… Manampy betsaka amin’ny fampitoniana sy fisorohana ny fitohanana moa ireo singa ireo. Tsara noho izany raha mihinana « vinaigre de cidre » 2 sotrokely isan’andro, afaka atao amin’ny lasary na hoanina amin’izao.

Lire la suite

Articles Similaires