• Cours de change
  • 4815.99 AR
  • |
  • $4469.92 AR
Copyright Image : © Pinterest
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fanaovana « tarte paradis » tsy mila fanamasahana

04/07/2024 09:34 © Moov.Mg

Amin’izao fialantsasatra lehibe izao dia ilaina hatrany ny mikaroka nahandro ankafizin’ny ankizy. « Goûter » mora karakaraina ary tena tian’izy ireny ny « tarte ». Ho an’ireo tsy manana lafaoro na tsy manana fotoana betsaka hanamboarana « goûter » dia azo atao tsara ny manao « tarte paradis » izay tsy mila fanamasahana. Araho ary ny fomba fanaovana azy.

Ireo zavatra ilaina raha hanao « tarte paradis »

-Biscuits izay tiana 200g ;
-Dibera 100 g ;
-Siramamy 60 g ;
-Mascarpone 250 g ;
-Crème fraîche liquide 150 g.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy

Atomboka amin’ny fanaovana ny lafika na ny « fond ». Potipotehana ao anaty fonony ny biscuits. Atao potika tsara lasa vovony. Avy eo atao anaty « bol » ary rarahana ny dibera avy natsonika.
Afangaro tsara ireo akora ireo mba hitambatra tsara.
Alaina ny lasitra (moule) fanaovana tarte ary asiana « papier film » ao anatiny. Atao mihoatra ny lasitra io « papier film » io.
Arotsaka ao avy eo ilay fangaro namboarina teo ary tsindrina sy fisahana mba hiraikitra tsara amin’ny lasitra. Avela hipetraka anaty vata fampangatsiahana mandritra ny 30 minitra.
Atao anaty « saladier » ny crème fraîche liquide sy ny mascarpone ary ny siramamy. Kapohana amin’ny « fouet » na amin’ny « batteuse » mba hitombo.
Rehefa mitombo tsara io fangaro io dia araraka ao anatin’ilay « fond » nokarakaraina teo. Averina anaty vata fampangatsiahana indray mandritra ny 1 ora.
Esorina amin’ilay lasitra amin’izay. Ilay « papier film » mihoatra iny moa no hisintomana azy moramora. Vita ny « tarte paradis » ! Tsara raha miandry kely ho afaka ilay hatsiaka avy any anaty vata fampangatsiahana iny vao omena ny ankizy ity « tarte » ity amin’izao andro ririnina izao.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo