• Cours de change
  • 4815.99 AR
  • |
  • $4469.92 AR
Copyright Image : © 4 Pieds
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ririnina : Ireo fahazaran-dratsy mila fadiana

03/07/2024 11:49 © Moov.Mg

Misy fiantraikany amin’ny vatana tokoa ny fiovan’ny toetr’andro. Mba hiarovan-tena amin’ny hatsiaka dia matetika isika lasa manova fahazarana amin’ny andavanandro. Misy amin’izy ireny nefa no mety hisy fiantraikany ratsy eo amin’ny vatana sy ny fahasalamana. Inona avy ary ireo fahazaran-dratsy mila fadiana rehefa ririnina ?

Mampihena ny fisotroana rano

Rehefa ririnina toy izao dia maro amintsika no lasa manana fahazaran-dratsy mampihena ny fisotroana rano. Maro ny antony mety mahatonga izany, toy fahatsapana mangatsiaka ka lasa tsy te hisotro rano mangatsiaka nefa malaina na tsy afaka hanafana rano. Etsy andaniny ihany koa lasa mivalan-drano matetika rehefa misotro rano betsaka rehefa mangatsiaka ny andro. Hany ka ferana ny rano sotroina mba tsy hivoahana matetika. Marihana nefa fa miteraka vokadratsy eo amin’ny vatana sy ny fahasalamana ny tsy fahampiana rano, na amin’ny andro mafana izany na mangatsiaka.

Mihinana sakafo matavy matetika

Maro amintsika no mitady sakafo matavy sy matsiro rehefa vaninandro mangatsiaka toy izao. Mitombo kokoa ny fitiavana ireny lasopy matsiro toy ny tongotr’omby, lasopy silamangany… ireny. Raha misy ny enti-manana dia mihinana matetika ireny nahandro be lafarina, ronono na fromazy ireny. Marina fa azo hoanina tsindraindray ireny sakafo ireny nefa kosa raha matetika loatra dia mety hisy vokadratsy eo amin’ny vatana sy fahasalamana. Mety hampipoitra na hampihetsika ny aretina toy ny goty, mety hampatavy be tampoka, tsy fahalevonan-kanina…

Mihiboka ao an-trano

Mampalaina tokoa ny mivoaka ny trano rehefa manjombona mangatsiaka iny ny andro. Hany ka na miasa na tsy miasa dia mihiboka mijanona ao an-trano foana isika fa tsy te hivoaka eny ivelany mintsy. Ilaina nefa ny mivoaboaka kely maka masoandro, eny na dia tsy mipoaka be aza ny andro. Iny taratry ny masoandro iny dia manome vitamina D ho an’ny vatantsika. Ilaina ihany koa ny mifoka rivotra madio mba ampahazo aina ny avokavoka. Tsy adinoina ny manokatra varavarankely, 15 minitra fara fahakeliny mba hampivezivezy ny rivotra ao an-trano na ao amin’ny birao.

Tsy manetsiketsika vatana

Mikolokolo ny vatana sy ny fahasalamana ny fampihetsehana vatana mandritra ny 30 minitra fara fahakeliny isan’andro. Mbola mitombona hatrany izany mandritra ny vaninandro ririnina. Marina fa mampalaina ny mandeha mihazakazaka na ny manao fanatanjahantena eny ankalamanjana. Azo asolo fanaovana « exercices » ao an-trano kosa nefa izany fa tsy mipetraka fotsiny amin’izao. Manampy amin’ny fanatsarana ny fikorian’ny rà sy amin’ny fampitomboana ny hery fiarovana hiadiana amin’ny hatsiaka ny fanaovana izany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo