• Cours de change
  • 4815.99 AR
  • |
  • $4469.92 AR
Copyright Image : © Santé-Medadom
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fahasalamana : ireo tsara fantatra mikasika ny aretina Zona

02/07/2024 15:46 © Moov.Mg

Aretina iray isan’ny mampijaly nefa mbola vitsy mahafantra ny Zona. Ny fisian’ny poa-drano miaraka amin’ny fanaintainana no isan’ireo fambara ahafantarana azy. Fa inona tokoa moa ny aretina Zona ? ‘Ndeha ho resahana ireo rehetra tsara fantatra mikasik’azy ity.

Inona no atao hoe aretina Zona ?

Ny Zona, antsoina ihany koa hoe « herpès zoster », dia aretina vokatry ny viriosy miseho eo amin’ny hoditra ka miteraka fanaintainana. Ny fifohazan’ny viriosy atao hoe « virus varicelle-zona ». Arak’izany anarany izany dia ny viriosy mahatonga ny nendramboalavo ihany no mahatonga azy io. Izany hoe, rehefa avy voan’ny nendram-boalavo ny olona iray dia matory ao anatin’ny vatana ilay viriosy. Aty aoriana, noho ny antony mbola tsy voafaritry ny manam-pahaizana, dia miverina mifoha io viriosy io ka mahatonga ny Zona.

Iza avy ireo karazan’olona mety ho tratry ny Zona ?

Ny olona rehetra efa voan’ny nendramboalavo dia mety ho tratry ny Zona. Mitombo kokoa ny risika mety ahazoana izany rehefa miha antitra, indrindra aorian’ny 50 taona. Misy ihany koa ireo anton-javatra mety mandrisika ny fisiana ka mety ho tratry ny Zona ny olona :
-Malemy ny hery fiarovana ;
-Misy rarintsaina lava ;
-Tratry ny homamiadana.

Inona avy ireo fambaran’ny aretina Zona ?

Araka ny efa voalaza teo ambony dia ny fisian’ny poa-drano manaintaina eo amin’ny hoditra no fambara lehibe ahafantarana ny Zona. Amin’ny ankapobeny dia eo amin’ny ilan’ny vatana, eo amin’ny tratra, ny lamosina na koa eo amin’ny tarehy no hipoitran’ireo poa-drano ireo. Matetika dia misy soritr’aretina miaraka amin’izany, toy ny :
-Fanaintainana izay tena mafy sy toy ny mandoro ;
-Fanaviana ;
-Aretin’an-doha ;
-Harerahana ;
-Fangovitana.
Mizara dingana telo amin’ny ankapobeny ny fivoaran’ireo poa-drano vokatry ny Zona. Amin’ny voalohany dia misy tasy menamena miseho eo amin’ny hoditra. Aorian’izay dia lasa misy poa-drano miforona. Amin’ny farany lasa marokoroko sy mivadika holatra.

Ahoana ny fitsaboana ny Zona ?

Ny ankamaroan’ireo poa-drano ateraky ny aretina Zona dia sitrana ho azy ao anatin’ny 2 na 3 herinandro. Mety maharitra mandritra ny volana maro, na aman-taonany, kosa nefa ny fanaintainana miaraka amin’izany.
Mbola tsy misy hatreto ny fitsaboana ahafahana manasitrana tanteraka ny Zona. Ny fandraisan-tanana ataon’ny mpitsabo dia mampitony ireo soritr’aretina ary mampihena ny mety ho fahasarotan’ny aretina.
Na dia manaintaina tokoa aza ny aretina Zona dia tsy dia misy atahorana loatra izy io. Mila manantona mpitsabo avy hatrany raha vao mipoitra ny fambara ahafantarana azy mba ahafahana mampitony azy aloha sy hisorohana ny mety ho fahasarotana.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo