• Cours de change
  • 4794.55 AR
  • |
  • $4463.91 AR
Copyright Image : © Cookomix
Image
Fahasalamana&Sakafo

« Goûter » hoan’ny ankizy : ny fomba fanaovana « muffins au citron »

02/07/2024 14:05 © Moov.Mg

Efa miditra tsikelikely anatin’ny fotoanan’ny fialantsasatra isika izao. Maro amintsika ray aman-dreny no sahirana mikaroka « goûter » azo amboarina ao an-trano, mahavoky sy be akora simika. Ny fanamboarana « muffins au citron » ary no andeha ho resahana eto. Sady matsiro no ankafizin’ny ankizy izy ireny.

Ireo zavatra ilaina raha hanao « muffins au citron »

-Lafarina 300 g ;
-Ronono 250 ml ;
-Siramamy vovony 100 g ;
-Dibera 75 g ;
-Atody 2 ;
-Voasary makirana 1 ;
-Levure 1 fonosana ;
-Sira 1 tsongo.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy

Hafanaina amin’ny hafanana 180°C ny lafaoro.
Tetehana fisaka ny dibera ary atsonika anaty vilany kely ambony afo malefaka.
Sasana ny voasary makirana ary kikisana ny hodiny. Atao anaty lovia jobo kely ireo hodiny voakiky.
Kapohana amin’ny « fouet » anaty « saladier » ny atody sy ny siramamy ary ny hoditra voasary makirana voakiky (zeste).
Tohizana kapohana hatrany mandrapahazoana fangaro mibontsina sy fotsifotsy.
Arotsaka ao ny dibera natsonika sy ny ronono ary kapohana amin’ny « fouet » indray hifangaro tsara daholo.
Afangaro mitokana anaty « saladier » hafa ny lafarina, levure sy ny sira. Rehefa mifangaro tsara dia arotsaka tsikelikely anatin’ny fangaro nisy atody sy ronono teo ary aroharoana hifangaro.
Rehefa mifangaro tsara daholo ireo akora ireo dia tokony manome paty malama.
Asiana dibera kely ny lasitra (moules à muffins) ho ampiasaina. Araraka ao amin’izy ireo tsirairay ny paty. Tsy atao feno be ny lasitra satria mbola hitombo ilay paty rehefa mihamasaka.
Alahatra tsirairay ambonin’ny « plateau de cuisson » ary atsofoka anaty lafaoro mandritra ny 30 minitra.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo