• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Kool Mag
Image
Sexualité & Mariage

Torohevitra hanamafisana ny fifampitokisana eo amin’ny mpivady

02/07/2024 10:39 © Moov.Mg

Mampilamina sy mampirindra ny tokantrano ny fifampitokisana eo amin’ny mpivady. Tsy mipetraka ho azy nefa izany fa tonga miandalana ary mila kolokoloina mandrakariva. Ireto ary misy torohevitra manampy mba hanamafisana ny fifampitokisana eo amin’ny mpivady.

Mila manana fahatokisan-tena

Rehefa tsy mahatoky tena ny olona iray dia ho sarotra aminy ny ahatoky ny olona hafa. Mila atao an-tsaina hatrany hoe matoa ianao no nosafidian’ny vadinao dia satria hitany avokoa ireo zava-tsara eo aminao, na eo amin’ny endrika izany na ny toetra. Rehefa tsapanao ireo zavatra tsara rehetra aminao dia tsy hanahy ny ho sarahana ianao sy ahatsiaro tena malalaka ao anatin’ny fanambadiana.

Alavirina ny ahiahy amin’ny vady

Raha mbola tsy nanao zavatra mampanahy ny vady dia alavirina ny ahiahy aminy. Raha toa ka saro-piaro, miahiahy sy manendrikendry fahatany dia ho sarotra ny hampitoetra ny fifampitokisana ao amin’ny tokantrano. Ny mety dia ny mitazona fihetseham-po tsara mandrakariva, toy ny fankasitrahana, ny fitiavana, ny toe-tsaina miabo.

Tsy manafin-javatra amin’ny vady

Mifototra betsaka amin’ny fangaraharana eo amin’ny mpivady ny fisian’ny fifampitokisana anatin’ny fanambadiana. Fadiana ny manafin-javatra amin’ny vady satria manimba ny fahatokisana izany. Resahana am-pahatsorana amin’ny vady avokoa ny tetikasa tiana atao, ny zavatra tiana ho vidiana, ny karama na ny vola miditra, ny vola mivoaka… Porofo iray anehoana ny fahatokisana, ny fitiavana sy ny fanajana azy ny fanaovana izany.

Miezaka hatrany mipetraka amin’ny toeran’ny ankilany

Samy mety mandalo fotoan-tsarotra avokoa isika rehetra. Rehefa sendra misedra izany ny vady dia mila henoina sy tohanana izy mba hahamafy ny fifampitokisana eo amin’ny mpivady. Mba ahafahana manome izany fanohanana izany dia mila miezaka mipetraka amin’ny toerany ianao. Mila miezaka mahatsapa ny fihetseham-pony mba ahitana ny fomba hanampiana azy. Rehefa tsapan’ny vady izany dia ho mora aminy kokoa ny hahatoky sy hisokatra aminao.

Mitazona ny teny nomena

Mba hampitomboana sy hanamafisana ny fifampitokisana eo amin’ny mpivady dia tandremana tsara ny zavatra tenenina ary indrindra ny toky izay homena. Manimba ny fahatokisana ny tsy fitazomana ny teny nomena satria mahatonga fahadisoam-panantenana. Raha tsy azo antoka fa ho vita ny zavatra iray dia tsy tsara ny manome toky ny vady fa havita izany.

Lire la suite

Articles Similaires