• Cours de change
  • 4783.72 AR
  • |
  • $4459.88 AR
Copyright Image : © Remèdes De Grand-Mere
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ririnina : ireo sakafo manome hafanana hiatrehana ny andro mangatsiaka

01/08/2024 14:49 © Moov.Mg

Mampijaly sy tsapa mamirifiry tokoa ny hatsiaka rehefa vaninandro ririnina toy izao. Raha toa ka miaro amin’ny hatsiaka avy any ivelany ny akanjo dia manome hafanana avy ao anatin’ny vatana kosa ny sakafo. Inona avy ary ireo karazana sakafo mampafana tsara hoanina hiatrehana ny hatsiaka ?

Sakafo masitsiaka

Rehefa mihinana sakafo masitsiaka isika dia mahatsapa misy hafanana miparitaka ao anatin’ny vatana ao. Io tsiro masiaka io tokoa mantsy dia mampihitatra ny lalandrà ka manome izany fahatsapana mafana izany eran’ny vatana. Marihana fa tsy voatery asiana sakay akory ny sakafo vao lasa masitsiaka. Afaka mampiasa sakamalaho na episy hanomezana izany tsiro izany ny nahandro. Atao amin’ny antonony kosa nefa ny fihinana izany satria mety hanimba vavony sy aty indray raha be loatra.

Ron’akoho gasy

Isan’ireo nahandro mitondra vokatsoa maro ho an’ny vatana ny ron’akoho gasy. Voalaza fa manampy betsaka amin’ny fampitomboana ny hery fiarovana sy mampatanjaka ny fihinanana azy io, indrindra rehefa voan’ny sery na gripa. Ilaina ihany koa ny misotro io ron’akoho io hiatrehana ny hatsiaka mandritra ny ririnina. Asiana sakamalaho kely izy vao mainka mampafana tsara ny anatin’ny vatana.

Ny dite sy ny kafe

Mazava ho azy fa ny zava-pisotro mafana toy ny dite sy ny kafe no isan’ireo manome hafanana ny vatana mandritra izao vaninandro ririnina izao. Sady mampafana no mampavitribitrika ny kafe mafana rehefa sotroina ilay vao maraina mangatsiaka be iny. Ho an’ireo tsy misotro kafe dia afaka atao tsara ihany koa ny misotro dite mafana. Tsy atao mamay loatra kosa nefa izy ireny satria mampiakatra loatra ny hafanan’ny vatana ka lasa vao maika mora mangatsiaka ny vatana avy eo.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo