• Cours de change
  • 4794.18 AR
  • |
  • $4461.87 AR
Copyright Image : © Agrilait
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanamboarana « chocolat chaud » matsiro

28/06/2024 13:38 © Moov.Mg

Rehefa ririnina toy izao dia zava-pisotro mafana no tena ankafizin’ny be sy ny maro. Anisan’ireo matsiro sy manafana ny « chocolat chaud ». Maro amintsika no efa nanamboatra azy io ao an-trano nefa tsy mety mahatafavoaka ilay tena matsiro toy ny eny amin’ireny « salon de thé » ireny. Atoro eto ary ny fomba mahomby indrindra hanaovana azy.

Ireo zavatra ilaina raha hanao « chocolat chaud » ao an-trano

-Ronono 1 l ;
-Siramamy 4 sotro fihinanana ;
-« Chocolat noir » 200 g ;
-« Crème fraîche épaisse » 2 sotro fihinanana ;
-« Sucre vanillé » 1 fonosana.

Fomba fikarakarana azy

Andrahoina anaty vilany amin’ny afo malefaka ny ronono dia endrasana ho somary mangatsitsiaka. Mety daholo na ronono velona na ireny ronono anaty baoritra ireny no ampiasaina. Ity farany moa efa masaka ka tsy mila andrahoina intsony fa hafanaina fotsiny.
Arotsaka anaty ronono matimaty ny « chocolat noir » efa notetehana. Atao ampy hafanana hampitsonika ny sôkôla izany ny ronono fa tsy atao mangatsiaka loatra. Aroharoana ka rehefa mifangaro tsara dia arotsaka ny « crème fraîche ».
Aroharoana amin’ny « fouet » ny fangaro ary arotsaka manarak’izay ny siramamy sy ny « sucre vanille ». Aso asolo « extrait de vanille » ihany koa moa ny « sucre vanille ». Afaka asiana kanelina kely raha tia izany. Tandremana kosa mba tsy ho lasa be loatra ny kanelina manjary manarona ny tsiron’ny sôkôla. Aroso mafana ny « chocolat chaud ».

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo