• Cours de change
  • 4794.18 AR
  • |
  • $4461.87 AR
Copyright Image : © Istock
Image
Fahasalamana&Sakafo

Sarotim-panina : fiadiana amin’ny tahotra eny amin’ny avo

28/06/2024 11:22 © Moov.Mg

Maro ny olona sarotim-panina ka lasa matahotra rehefa miakatra eny amin’ny toerana avo. Efa handeha ato ho ato nefa ny teleferika eto amintsika ka mila miezaka miady amin’izany tahotra izany ireo sarotim-panina maniry hampiasa teleferika. Ireto ary misy torohevitra vitsy hiadiana amin’ny sarotim-panina.

Ny fomba fisehon’ny sarotim-panina

Mbola tsy voaresaka betsaka eto amintsika ny mikasika ny sarotim-panina nef amaro tokoa ny olona miaina izany. Matetika moa izany dia miseho amin’ny fahatsapana fanina, maloiloy, hatsembohana be na koa fangovitana rehefa eny amin’ny avo (en hauteur). Mampijaly tokoa ny fahatsapana izany ka lasa miteraka tahotra sy tebiteby rehefa mila miakatra amin’ny toerana avo, toy ny hoe lavarangana, sisina tevana… Ahoana ary ny fomba atao hiadiana amin’ny tahotra eny amin’ny avo ?

Fantarina ny anton’ny tahotra

Mila maka fotoana hamantarana ny antony mahatonga ny tahotra eny amin’ny avo ahafahana miatrika izany. Mety hoe nisy trangan-javatra manokana niainana nahatonga izany tahotra izany ve ? Sa mahatsiaro tena fanina rehefa eny amin’ny avo ? Sa koa matahotra ny hianjera ? Rehefa fantatra mazava izany antony izany dia afaka mianatra manamboatra saina sy miezaka manohitra izany mba hialana amin’ny hasarotim-panina sy ny tahotra aterak’izany.

Miezaka miakatra tsikelikely amin’ny toerana avo

Isan’ny fomba iray mahomby hanoherana ny hasarotim-panina ny fiezahana miakatra tsikelikely amin’ny toerana avo. Atomboka amin’ny fiakarana zavatra amin’ny tohatra eny an-tokontany ohatra izany. Tsy manery tena fa atao miandalana ny fanaovana izany. Rehefa mihazatra sy mihalefy ny tahotra na ny fahatsapana fanina dia miakatra ambony kokoa.

Miezaka mifehy ny fahatsapana fanina rehefa eny amin’ny toerana avo

Misy ihany koa ireo torohevitra azo ampiharina mba hisorohana sy hifehezana ny fahatsapana fanina rehefa eny amin’ny avo, toy ny hoe :
-Fadiana ny mijery ambany. Atao mifantoka amin’ny zavatra iray eny amin’ny lavitra ny maso ;
-Mamindra miadana rehefa miakatra amin’ny toerana avo ;
-Tsy mihetsika mafy tampoka rehefa eny amin’ny avo ;
-Miaina lalina sy milamina ;
-Manao ampy rano tsara alohan’ny handehanana amin’ny toerana avo ;
-Atao mitony tsara ny saina mba tsy ho azon-tahotra rehefa eny ambony.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo