• Cours de change
  • 4772.56 AR
  • |
  • $4465.15 AR
Copyright Image : © Journal Des Femmes Santé
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fangaro natoraly hitsaboana ny tongotra vakivaky

27/06/2024 15:39 © Moov.Mg

Maro amintsika no ampijalian’ny tongotra vakivaky, indrindra rehefa vaninandro main-tany toy izao. Sady marary no mahamenatra moa no misy azy ireny. Ity ary misy fangaro natoraly azo hitsaboana ny tongotra vakivaky azo karakaraina ao an-trano.

Ireo zavatra ilaina

-Voasary makirana 2 ;
-Menaka oliva 3 sotro fihinanana ;
-Siramamy 2 sotro fihinanana.

Ny fomba fikarakarana azy

Atao anaty lovia jobo kely ny siramamy fotsy, ny menaka oliva ary ny ranona voasary makirana. Tsara raha siramamy fotsy no ampiasaina amin’ity fangaro ity. Voasary makirana ilay mavo tsara ireny ihany koa no tena mety sy be ranony. Aroharoana ifangaro tsara.

Ny fomba fampiasana azy

Sasana madio tsara ny tongotra vakivaky rehefa hariva alohan’ny hatory sy tsy handehandeha intsony. Tsy fafana fa avela ho maina amin’izao. Rehefa maina tsara vao hosorana ilay fangaro natoraly nokarakaraina teo.
Rehefa miosotra tsara dia somary horina moramora mandritra ny 3 minitra eo ho eo. Entina matory ity fangaro ity mba hiasa tsara mandritra ny alina. Raha azo atao dia tsy rakofana lamba ny faritra nosorana azy mba tsy hiala ilay fangaro. Rehefa maraina vao sasana.
Atao isan’andro mandritra ny herinandro ity fikarakarana ny tongotra vakivaky ity dia tokony mahita vokatra. Marihina fa mbola azo ampiasaina ny ambin’ity fangaro ity. Tsara kosa nefa raha tsy tehirizina mihoatra ny 3 andro fa manamboatra vaovao rehefa dila io fotoana io.
Raha toa ka tsy mahita vokatra mandritra ny herinandro nampiasana ity akora ity na koa hita fa lalina be ilay vakivaky amin’ny vodi-tongotra dia tsara raha manantona mpitsabo.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo