• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Antenimierampirenena
Image
Vaovao

Antenimierampirenena : Lany tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovana ny volavolan-dalana mikasika ny tetikasa RIZ PLUS sy TALAKYBE

25/06/2024 11:34 © Moov

Notanterahina androany 24 jona 2024 ny fivoriambe nandinihina sy nandaniana ny volavolan-dalàna laharana faha -010/2024 tamin’ny 02 may 2024 sy ny laharana faha-007/2024 tamin’ny 21 fébroary 2024. Ireo roa ireo izay mikasika ny tetikasam-panjakana RIZ PLUS sy TALAKYBE. Lany tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovana ireo volavolan-dalàna roa ireo.

Samy hiarahana miasa amin’ny Agence Française de Développement avokoa moa ireo tetik’asa roa ireo.

Fampiakarana ny voka-bary

Raha mahakasika ny tetikasa RIZ PLUS dia mifototra amin’ny fampakarana ny voka-bary sy ny fanatsarana ny fomba famokarana eto Madagasikara izany. Miompana amin’ny faritra roa samihafa izy ireo amin’izao dia Alaotra Mangoro sy Sofia. Maharitra dimy taona (2023-2028) no faharetan’ny tetikasa ary 227 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola. Mizara roa izany vola ho ampiasaina izany ka ny 200 tapitrisa avy amin’ny Banky iraisam-pirenena. Mitentina 25 tapitrisa dolara kosa avy amin’ny Agence Française de Développement. Araka izany dia ambola azo heverina ny hitohizan’ny tetik’asa. Etsy andaniny dia liana amin’ity tetikasa ity ireo solombavambahoaka ka maro no nangataka ny hihitaran’ny tetikasa any amin’ny distrika misy azy. Anisan’izany ny ao amin’ny lemaky Maroantsetra, ny faritra Andilamena sy faritra Atsimon’ny Nosy iny. Nangatahan’ireo solombavambahoaka ihany koa ny hiantsoana azy ireo rehefa misy ny tetikasa toy izao mba hahafahan’ny malagasy maro misitraka izany.

Ho an’ny fanjarian-tsakafo

Raisin’ny Fitondram-panjakana ho laharam-pahamehana ihany koa amin’izao fotoana izao ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Mandray anjara amin’izany ity tetik’asa TALAKYBE ity. Natao indrindra ho vahaolana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo izay mifandray amin’ny olana ara-tontolo iainana izy ity. Ireto farany ireto izay vokatry ny asan’olombelona indrindra amin’ny fomba fambolena tsy maharitra any Atsimon’i Madagasikara. Any amin’ny faritra Anosy no hiasan’ny tetikasa ahitana faritra arovana miisa 7 izay mirefy 250 157 ha. Vinavinaina ho roa alina eo ny olona hisitraka ity ary fanajariana lemaka 25 000 ha sy fanaovana lalana 19 km ary fanajariana lalana 20 km no hatao amin’izany. Mitentina 40 tapitrisa Euros indray ny famatsiambola amin’ity tetik’asa ity. 20 tapitrisa Euros dia avy amin’ny vondrona eoropeana izay tsy averina ary ny 20 tapitrisa Euros na kosa avy amin’ny Agence Française de Développement.

Lire la suite

Articles Similaires