• Cours de change
  • 4773.83 AR
  • |
  • $4464.45 AR
Copyright Image : © Lanouvelletribune
Image
Fahasalamana&Sakafo

Voasary makirana : Ireo azo ampiasana azy rehetra

21/06/2024 08:35 © Moov

Mbola tena mora ny voasary makirana eny an-tsena eny. Manomboka amin'ny 100 ariary mantsy dia mahazo. Mahazatra antsika ny mihinana io voankazo io, nefa tsara fantatra ihany koa ny azo ampiasana azy amin'ny fiainana andavan'andro.

Atao ranom-boankazo na hanina miaraka amin'ny sakafo

Mahasoa ny fahasalamana tokoa ny voasary makirana na citron. Manankarena vitamine C sy calcium mantsy izy io ka misoroka sy mitsabo ny gripa sy ny sery amin'izao andro mangatsiaka izao. Manamora ny fandevonan-kanina sy misoroka ireo allergies isan-karazany ihany koa izy io ka izany. Izany indrindra no ilàna azy rehefa mihinana sakafo saro-devonina sy mety hampangidihidy toy hazan-dranomasina. Azo atao tsara izany ny misotro jus de citron rehefa mahatsiaro mavesabesatra iny ny vavony. Tsy vitsy ireo olona mampiasa citron hasolo ny vinaigitra mba hatsiro sy mora levonina kokoa ireo sakafo hanina amin'ny "vinaigrettes" toy ny lasary.
Araka ny valim-pikaharohan'ny manam-pahaizana, miaro amin'ireto aretina ireto ny citron : cancer prostate (ho an'ny lehilahy), diabeta, aretimbavony, sns.

Atao solona "dissolvant"

Koa satria manana toetra asidra ny voasary makirana, azo asolo "dissolvant" tsara izy io. Rehefa adino ny nitondra "dissolvant" nefa efa somary miendaka ny vernis eny amin'ny hoho, dia azo atao tsara ny mividy voasary makirana eny an-dalana. Kosehina eo amin'ny hoho misy vernis tiana esorina ny citron, mandrapahafaka tsara ny vernis. Tsara raha fafana amin'ny lingettes avy eo ny tanana mba tsy hakina loatra na hiraikidraikitra.

Hitsaboana volo sy hoditra

Tapatapaka sy vakivaky na makina ve ny volonao ? Tsy voatery hividy vokatra lafovidy vao ho voavaha ny olana. Mitsabo sy mampangirana volo mantsy ny voasary makirana. Manala angadrano ihany koa izy. tsotra ny fitsaboana satria asiana ranom-boasary makirana fotsiny ny rano anasana loha.
Mitsabo ny hoditra makina sy vakivaky ihany koa ny voasary makirana amin'izao andro mangatsiaka izao. Ny hariva, alohan'ny hatory, azo asiana voasary makirana ny faritra maimaina. Kobanina tsara avy eo, afaka 15 minitra.

Hanadiovana fitaovana ao an-dakozia

Raha misy loto sarotra esorina ny laforo na fitaovana ao an-dakozia, manampy tokoa ny voasary makirana. Manamboara ary fangaro ahitana vinaigitra fotsy, karibonetra ary ranom-boasary makirana. Ataovy izay hahazoana "pate" matevina, ka io no ahosotra amin'ilay faritra maloto. Avela hilona mandritra ny 30 minitra izany fangaro izany ka kobanina ny fitaovana avy eo.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo