• Cours de change
  • 4773.83 AR
  • |
  • $4464.45 AR
Copyright Image : © Pole Ophtalmogique Essone
Image
Fahasalamana&Sakafo

Areti-maso : ireo tsara fantatra mikasika ny « cataracte »

18/06/2024 15:25 © Moov.Mg

Areti-maso fahita matetika ny « cataracte » ary ireo olona efa nahazo taona mahazana no tratr’izany. Mety hitarika olana amin’ny fahitana ary hiafara amin’ny fahajambana izy io raha tsy voatsabo ara-dalàna. Fa inona tokoa moa ny aretina « cataracte » ? Inona no mahatonga azy ? Ahoana ny fisehony ary inona ny fitsaboana azo atao ?

Inona ny aretina « cataracte » ?

Ny « cataracte » dia areti-maso vokatry ny fahatevanana tsikelikelin’ny « cristallin ». Raha ny tokony ho izy dia manify sy « transparent » ny « cristallin ». Rehefa voan’ny « cataracte » ny olona iray dia lasa mihamatevina io « cristallin » io ka manjary tsy « transparent » intsony. Lasa manakona sy mampihena ny fahitana izany fiovany izany. Raha toa ka ny olona 60 taona no mihoatra matetika no tratry ny « cataracte » dia marihana fa mety mahavoa ny rehetra ihany koa nefa ity areti-maso ity.

Ireo fomba fisehon’ny « cataracte »

Isan’ireo fambara lehibe ahafantarana ny « cataracte » ny hoe :
-Manjavozavo ny fahitana ;
-Tsy mahazaka hazavana ny maso, indrindra amin’ny alina ;
-Mihena na manjavozavo ny fahitana ny loko ;
-Misy zavona manakona ny fahitana ;
-Mila hazavana na jiro mazava vao afaka mamaky soratra.

Ahoana ny fitsaboana ny « cataracte » ?

Raha mahatsapa ny iray na ny maro amin’ireo fambara voalaza ireo dia mila manantona mpitsabo maso. Hatreto aloha dia ny fandidiana ihany no fomba tokana sy mahomby hitsaboana ity karazana areti-maso ity. Izany hoe esorina amin’ny alalan’ny fandidiana ny faritra matevina eo amin’ny « cristallin » ary soloina « lentille intraoculaire transparente ». Amin’ny ankapobeny dia vetivety ary azo antoka ity fandidiana ity.

Ireo fomba atao hisorohana ny « cataracte »

Marihana fa ny fahanterana no antony lehibe mahatonga ny « cataracte ». Misy ihany koa nefa ireo anton-javatra mila tandremana mba hisorohana ny fitrangan’ity areti-maso ity :
-Fijerana sy fanaraha-maso ny diabeta ;
-Fitandremana ny maso mba tsy ho voadoana na haratra ;
-Fanaovana solomaso miaro amin’ny taratry ny masoandro rehefa eny ivelany ;
-Fanantonana mpitsabo maso sy fanaraha-maso ny fahasalaman’ny maso.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo