• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Améliore Ta Santé
Image
Fahasalamana&Sakafo

« Viellissement précoce » : Ireo antony manafaingana ny fahanteran'ny olombelona

18/06/2024 13:52 © Moov.Mg

Lalam-piainana tsy maintsy andalovana ny fahanterana rehefa mandroso ny taona. Manomboka miseho ny kentrona amin’ny tarehy, miroraka ny hoditry ny vatana, mihafotsy ny volo… Etsy andaniny nefa misy ihany koa ny atao hoe « vieillissement précoce », izany hoe mipoitra aloha be ireo mariky ny fahanterana ireo. ‘Ndeha ary ho fantarina ireo mety antony manafaingana ny fahanteran’ny olombelona na ny « vieillissement précoce ».

Ny tsy fanetsehana ny vatana

Isan’ireo antony lehibe manafaingana ny fahanteran’ny olombelona na ny « vieillissement précoce » ny tsy fahampian’ny fanetsehana ny vatana. Ny fanaovana fanatanjahantena na ny fanetsehambatana 30 minitra isan’andro dia mikolokolo ny vatana sy mampaharitra ny fahatanoran’ny endrika. Ankoatra izay dia manatsara ny fikorian’ny rà, ny fiasan’ny taovam-pisefoana ary mampalefaka ny hoditra izany fizarana manetsiketsika vatana izany.

Ny tsy fahampian’ny torimaso

Ny tsy fahampian’ny torimaso dia mananfaingana ny fahanteran’ny olombelona ihany koa. Rehefa tsy ampy torimaso na ratsy torimaso matetika tokoa mantsy ny olona iray dia lasa mora mitebiteby, kizitina sy tratry ny rarin-tsaina. Etsy andaniny lasa mitombo ny famokaran’ny vatany ny « cortisol ». Ity farany, antsoina ihany koa hoe « hormone du stress », dia manampy amin’ny fampitoniana ny rarin-tsaina rehefa misy toe-javatra mampitebiteby na adin-tsaina mandalo. Raha toa kosa ka mamokatra « cortisol » tsy ankiato ny vatana vokatry ny tsy fahampiana torimaso dia lasa mikorontana ny famokarana ny « collagène » ka mora misy kentrona ny tarehy ary miroraka alohan’ny fotoana ny hoditra.

Ny sakafo tsy voalanjalanja

Averina ombieny ny maha zava-dehibe ny fihinanana sakafo voalanjalanja sy ara-pahasalamana mba hikolokoloana ny vatana sy ny fahasalamana. Ny tsy fanajana izany sakafo izany dia mety mahatonga ny « vieillissement précoce ». Raha sakafo matavy sy tsy be otrikaina foana no hoanina dia hisy fiantraikany eo amin’ny fahasalamana sy ny endrika ivelany izany. Rehefa tsy mahazo ny otrikaina ilainy ny vatana dia lasa mainamaina ny hoditra, mivaloharika ny tarehy, mora mikentrona ny hoditra sy ny hodi-tava, maina sy enjana ny volo… Ilaina noho izany ny mihinana voankazo sy legioma karazany 5, hena mahia ary misotro rano 1,5l isan’andro mba hisorohana ny fahanterana aloha loatra. Fadiana ihany koa ny fandraisana zava-mahadomelina toy ny sigara, toaka, rongony…

Ny rarin-tsaina sy ny alahelo

Isan’ireo anton-javatra manafaingana ny fahanterana ihany koa ny rarin-tsaina. Misy fiantraikany eo amin’ny vatana iray manontolo ny fahatsapana izany matetika. Ankoatra ny famokarana « cortisol » tsy ankiato, izay noresahana teo ambony, dia mety manankorotana ny sela ao amin’ny vatana ihany koa izany. Izany fikorontanan’ny sela izany dia mampipoitra aloha be ireo mariky ny fahanterana. Toy izany ihany koa ny alahelo lava. Tsikaritra fa ireo olona miramirana sy mankafy fiainana dia manana endrika tanora lalandava. Mora misy kentrona ny tarehy rehefa malahelo, kizitina sy miferotraina foana, eny na mbola tanora aza.

Lire la suite

Articles Similaires