• Cours de change
  • 4763.91 AR
  • |
  • $4463.31 AR
Copyright Image : © Minae
Image
Vaovao

Fotodrafitrasa : Vita ny fanamboarana ny lalana roa ao anatin’ny faritra Itasy

14/06/2024 09:35 © Moov

Afa-pahasahiranana ny ampahan’ny vahoakan’Itasy. Efa vita tanteraka ireo lalana roa nasiam-panavaozana izay mampitohy Kaominina miisa efatra. Ao anatin’izany ny Miarinarivo mankany Ambatomanjaka sy Soavinandriana mampitohy an’ny Mananasy. Vita ny talata teo ny fandraisana ara-teknika ny lalana ka ho azo ampiasaina amin’izay.

Manala fahasahiranana

Mponina aman’arivony ao anatin’ny faritra Itasy no mampiasa ireo lalana ireo. Amin’izao fotoana izao dia milaza ho afa-pahasahiranana izy ireo. Raha ho an’ny Soavinandriana sy Mananasy dia mirefy 12 km eo izany asa vita izany. Nilaza izy ireo fa 4 ora no hamitan’ny fiara izany lalana izany teo aloha raha 20 minitra eo ho eo kosa izany amin’izao fahavitan’ny lalana izao. Manamora ny fanatonana hôpitaly izany raha taloha dia maro ireo marary maty an-dalana noho ny faharatsian’ny lalana. Mihena ihany koa ny vola mivoaka satria lasa 5 000 ariary ny saran-dalana « bajaj » izay 15 000 ariary teo aloha. Etsy andaniny dia manamora ny famoahana ny vokatra ary manamaivana ny tsindrin’ireo mpanangom-bokatra amin’ireo mpamokatra ihany koa izany. « Tsy voatery miandry mpanangom-bokatra intsony fa afaka tonga dia ho entina any Miarinarivo na Antananarivo ny vokatra », hoy ny solontenan’ireo mpamboly ao Mananasy. Marihina fa nandritra ny 25 taona no nijalian’ireo mponina tamin’ny fahasimban’ity lalana ity. Sakana lehibe tamin’ny fampandrosoana ny faritra izany ka voavaha ny olana amin’izao.

Fandaniana mitentina 4 649 729 666 Ariary

Naharitra 7 volana ny asa fanarenana izay mitentina 4 649 729 666 Ariary no vola lany tamin’izany. Lalandràn’ny Firenena ny lalana ary manana anjara toerana lehibe hahafahana mampiroborobo ny toekarena. Noraisin’ ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ho andraikitra amin’ny alalan’ny Tetikasa CASEF izay vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena vola ny fanarenana ireo lalàna ireo. Ankehitriny dia vita tanteraka ny fanarenana ny lalana ka hipaika eny ifotony ny asa fampandrosoana. Afaka hisitraka ny fahavitan’ny lalana indray araka izany ireto mponina ireto. Marihina fa safidin’ny Filoham-pirenena no nanarenana ireto lalana ireto. Mbola ho avy ihany koa ny fanarenana lalana hafa mba ho tombontsoan’ny maro.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo