• Cours de change
  • 4763.91 AR
  • |
  • $4463.31 AR
Copyright Image : © Comment-Economiser.Fr
Image
DYI

Fomba atao mampangirana ny kiraro hoditra tsy mampiasa « crème »

14/06/2024 08:18 © Moov.Mg

Tsy manana « crème » fanadiovana kiraro intsony ve ao an-trano ? Marina fa mila diovina amin’io vokatra manokana io hatrany ny kiraro hoditra mba hikolokoloana azy tsy ho mora vasoka sy mba hangirana hatrany. Raha sendra lany tampoka kosa nefa ny « crème » kiraro dia ireto misy torohevitra mandaitra mampangirana ny kiraro hoditra azo atao.

Diovina amin’ny menaka sakafo sy ranona voasary makirana ny kiraro hoditra

Raha tsy manana « crème » kiraro intsony hanadiovana ny kiraro hoditra dia afaka mampiasa menaka sakafo sy ranona voasary makirana. Mety foana na menaka oliva na menaka soja no ampiasaina. Sady mampangirana ny kiraro izany no miaro azy tsy ho simban’ny rano. Tsotra ny fampiasana izany. Rarahana menaka kely eo amin’ny kiraro. Fafana toy ny manao boribory amin’ny lamba madio mba hiditra anatin’ny hoditra ilay menaka. Araraka kely toy izay ihany koa ny ranona voasary makirana avy eo kosehana atao boribory dia vita.

Mampiasa ronono ny kiraro hangirana

Akora natoraly azo ampiasaina amin’ny fanadiovana ny kiraro hoditra ihany koa ny ronono raha sendra lany ny « crème » kiraro ao an-trano. Sady mampangirana no mikolokolo ny « cuir » ny ronono. Fafana tsara aloha ny kiraro mba hiala daholo ny vovoka sy ny loto miraikitra eo aminy. Rehefa vita izay dia lemana amin’ny ronono ny « coton ». Kosehana moramora amin’ity farany ny kiraro hoditra. Avela ho maina mandritra minitra vitsy. Aorian’izay dia kosehana amin’ny lamba madio sy maina ny kiraro mba hangirana tsara.

Kosehana amin’ny hoditra akondro ny kiraro hoditra hangirana

Raha misy akondro ao an-trano dia afaka ampiasaina ny hodin’izany hanadiovana ny kiraro hoditra. Fafana tsara atao tsy misy vovoka sy loto tavela intsony aloha amin’ny kiraro. Rehefa vita izany dia kosehana amin’ny hoditra akondro. Ilay fotsifotsy avy ao anatiny io no ampiasaina amin’izany. Tsy endrasana ho maina fa tonga dia fafana amin’ny lamba madio ilay kiraro hiala ireo faikan’ny hoditra akondro. Aorian’izay dia fafana amin’ny lamba indray hampangirana azy.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo