• Cours de change
  • 4783.72 AR
  • |
  • $4459.88 AR
Copyright Image : © Aitn
Image
Asa & Fianarana

Fomba samihafa ahazoana vola amin’ny aterineto eto Madagasikara

13/06/2024 08:43 © Moov.Mg

Tsy ampy hivelomana ve ny karama raisina isam-bolana na ny vola miditra amin’ny asa-tena ? Ireto ary misy vadin’asa afaka atao amin’ny alalan’ny aterineto eto Madagasikara.

Manao « freelance en ligne »

Ho an’ireo manana fahaiza-manao sy traikefa amin’ireo asa toy ny « rédaction », « programmation », « secrétariat », « traduction »… dia afaka atao ny manao « freelance en ligne ». Maro ireo mpampiasa any ivelany no mitady olona miasa-tena hampanaovina ireo karazana asa voalaza ireo. Isan’ny fomba ahitana ireo mpampiasa ireo ny fidirana amin’ny « plateformes » toy ny « Upwork », « Fiverr », « Freelancer »… Raha maniry hisehatra amin’ny « freelancing » eto Madagasikara dia mila manana « NIF/STAT ».

Manao « vente en ligne »

Fomba iray isan’ny mandaitra indrindra hitadiavana vola amin’ny alalan’ny aterineto ny fanaovana « vente en ligne ». Atomboka amin’ny fikarohana ireo entana eritreretina amidy. Avy eo manokatra ny « boutique en ligne » hivarotana izany. Raha ny eto amintsika izao dia « Page Facebook » no ampiasain’ny ankamaroan’ireo mpivarotra. Afaka atao ihany koa nefa ny manokatra tranonkala mihintsy (site e-commerce). Mba ampiroborobo ny « vente en ligne » atao dia tsara raha mianatra ireo fikirakirana ara-teknika ilaina mba ho betsaka mahita ny « boutique en ligne » na ny « page Facebook » ampiasaina hivarotana.

Manao « marketing d’affiliation »

Isan’ireo fomba mahomby ahazoana vola amin’ny alalan’ny aterineto ihany koa ny « marketing d’affiliation ». Ireo efa manana « site web », « page Facebook » na « boutique en ligne » na « réseaux sociaux » efa betsaka mpanaraka no tsara manao azy ity. Miompana amin’ny fampiroboroboana ny fivarotana ireo vokatry ny orinasa samihafa eo amin’ny « site », « réseaux sociaux »… an’ny tena izany. Izany hoe ampidirina ao ny rohy ahitana ilay vokatra (produit) ka raha avy amin’io rohy io ny mpividy no manjifa izany dia mahazo « commission » ilay mpanao « marketing d’affiliation ».

Mampianatra teny vahiny « en ligne »

Raha mahafehy teny vahiny dia afaka atao ihany koa ny mampianatra izany eo amin’ny aterineto mba ahazoana vola. Mazava ho azy fa ny saram-pianarana no fidiram-bola voalohany amin’izany. Afaka mivarotra « supports de cours » amin’ireo mpianatra ihany koa moa raha mahavita manomana izany. Raha ny eto amintsika manokana aloha hatreto dia eo amin’ny « Facebook » no tena misy manao izany fampianarana « en ligne » izany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo