• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Enfant.Com
Image
Sexualité & Mariage

Bevohoka : Torohevitra hampirindra tsara ny fiainam-pananahana

27/05/2024 10:57 © Moov.Mg

Mbola afaka manana fiainam-pananahana ve rehefa bevohoka ? Tsy misy atahorana amin’ny fahasalaman’ny zaza ao an-kibo ? Maro tokoa ny mpivady no matahotra ny miray ara-nofo mandritra ny fitondrana vohoka. Zaraina eto ary ireo torohevitra hampirindra tsara ny fiainam-pananahana eo amin’ny mpivady mandritra ny fitondrana vohoka.

Ireo antony mety mampikorontana ny fiainana ara-pananahana mandritra ny fitondrana vohoka

Maro ny fiovana entin’ny fitondrana vohoka eo amin’ny fiainan’ny mpivady, anisan’izany ny lafiny ara-pananahana. Maro tokoa ireo anton-javatra mampihena ny filàna ara-nofo, indrindra ny an’ny bevohoka. Ohatra amin’izany ny fikorontanan’ny hormonina, ny havizanana sy ny fanaintainana vokatry ny fitondrana vohoka… Eo amin’ny lehilahy dia ny tahotra sao handoana na havoatsindry ny zaza ao an-kibo, ny fahasahiranana mitady ny « positions » rehefa miray ara-nofo rehefa miha lehibe ny kibo… no mety mampihena ny fahazotoana hiray ara-nofo.

Ny tokony atao hampirindra ny fiainam-pananahana mandritra ny fitondrana vohoka

Azon’ny mpivady atao tsara ny miray ara-nofo mandritra ny fitondrana vohoka. Mba ampirindra sy ampilamina ny fiainam-pananahana mandritra izany fotoana izany dia ireto ary misy torohevitra manampy ahatongavana amin’izany :

Miomana sy mizatra dieny vao mitsaika ny zaza ao an-kibo

Mba hampirindra ny fiainam-pananahana mandritra ny fitondrana vohoka dia mila miomana sy mizatra amin’ireo fiovana aterak’izany ny mpivady dieny vao mitsaika ny zaza ao an-kibo. Fantarina ireo anton-javatra mety hampihena ny fahazotoana miray ara-nofo. Avy eo mifampiresaka sy mifampihaino ny mpivady mba ahafahana mikaroka miaraka ireo vahaolana hampilamina ny fiainana ara-pananahana. Raha malaina ny bevohoka hiray ara-nofo dia mila mandefitra ny vadiny ka miandry am-pitiavana ny fotoana mampazoto azy.

Safidiana tsara ny « positions » ampiharina rehefa miray ara-nofo

Amin’ny ankapobeny dia afaka manao ny « positions » rehetra ny mpivady mandritra ny fitondrana vohoka. Na izany aza nefa dia mila tandremana ihany ireo « positions » mety manindry ny kibon’ny bevohoka, eny na mbola tsy lehibe aza ny kibo. Tsy tokony ho voatsindry ihany koa ny nonon’ny bevohoka, indrindra mandritra ny 2 volana voalohan’ny fitondrana vohoka satria mety hanaintaina izy ireny nohon’ny fikorontanan’ny hormonina. Tsara kokoa raha ireny « positions » miorirana ireny no ampiharina. Afaka mifampiresaka hatrany nefa ny mpivady mba hiaraha-mikaroka izay mampahazo aina sy mampisy fahafinaretana ny tsirairay nefa tsy atahorana havoatsindry ny kibo.

Rehefa inona no tsy afaka miray ara-nofo mandritra ny fitondrana vohoka ?

Araka ny voalaza teo ambony dia afaka miray ara-nofo ny mpivady mandritra ny fitondrana vohoka. Noho ny antony ara-pahasalamana kosa nefa dia mety misy ireo tsy avelan’ny mpitsabo miray ara-nofo. Isan’izany ireo bevohoka atahorana ho afa-jaza na efa afa-jaza matetika, ireo mandeha rà mandritra ny fitondrana vohoka, ireo atahorana ho teraka tsy tonga volana… Rehefa afaka ireo risika atahorana maha afa-jaza na tsy fahatomombanana voalaza ireo dia afaka miverina miray ara-nofo ny mpivady. Ny mpitsabo ihany moa no mamaritra izany.

Lire la suite

Articles Similaires