• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Doctissimo
Image
Reny&Zaza

Ireo tsara fantatra mikasika ny « Fécondation In Vitro » na FIV

15/05/2024 14:26 © Moov.Mg

Efa taona maromaro izay no nisy teto Antananarivo ny fanaovana « Fécondation In Vitro ». Fomba iray hanampiana ny mpivady tsy mety mahazo zaza noho ny antony manokana ara-pahasalamana moa izy io. Andeha ary resahana eto ireo tsara fantatra mikasika ny « Fécondation In Vitro » na ny FIV.

Inona no atao hoe « Fécondation In Vitro » ?

Raha hazavaina amin’ny fomba tsotra ny atao hoe « Fécondation In Vitro » dia fomba iray fampiraisana ny tsirinaina sy ny atodin’ny vehivavy ivelan’ny vatan’ny vehivavy mba hampiforona zazakely. Any anaty « laboratoire » moa no atao izay fampiraisana izany. Rehefa miforona ilay zazakely (embryon) dia averina ao anaty tranon-jaza rehefa hita fa feno ireo fepetra hahatonga zaza azy. Natao ho an’ny mpivady maniry ny hanan-janaka nefa manana olana amin’izany ny FIV.

Oviana no afaka manao FIV ?

Rehefa manana olona amin'ny fazahoana zaza iray ny mpivady dia afaka manao ny FIV. Misy kosa nefa ireo fitiliana sy fitsaboana izay tsy maintsy atao alohan’ny hirosoana amin’izany. Raha azo atao dia tsaboin'ny mpitsabo aloha ny antony mety tsy mampiteraka ilay vehivavy na lehilahy mba hahafahan'izy ireo mamerina ny fahavokarana voajanahary. Isan’izany fitsaboana izany ny :
-Famporisihana ny atodinaina amin'ny alàlan'ny fanomezana fanafody hoanina mba ahalonaka ilay vehivavy ;
-Fanadiovana ny fantsona na « trompe » ;
-Fanatanjahana ny tsirinaina amin’ny alalan’ny fanomezana fanafody hoanina ny lehilahy ;
-Fanaovana « insémination artificielle ».
-Miditra amin’ny fanatanterahana ny « Fécondation In Vitro » ny mpivady rehefa tsy mbola mety mahazo zaza aorian’ny fitsaboana natao.

Inona avy ireo antony mety ilaina ny fanaovana ny FIV ?

Ny FIV dia natao hoan'ny vehivavy na lehilahy izay manana olana ara-pahasalamana na tsy fahatomombanana ara-batana manokana toy ny hoe :
-Tsy misy fantsona na « trompes » ;
-Tsentsina ny fantsona na « trompes bouchées » ;
-Tsy ampy na marefo ny tsirinaina ;
-Vehivavy voan’ny « endométriose » tsy nahitana fahasitranana.

Ireo toe-javatra mampahomby na tsia ny fanaovana « Fécondation In Vitro »

Miankina amin'ny lafin-javatra maro samihafa ny fahombiazana amin'ny FIV. Anisan’izany ny :
-Taona satria mahomby kokoa ny fanaovana « Fécondation In Vitro » raha latsaky ny 42 taona ny mpivady manao azy ;
-Ny fomba fiainan'ny vehivavy sy ny lehilahy ;
-Ny antony mahatonga ny tsy fiterahana.

Torohevitra tsara arahina alohan’ny anaovana FIV

Mba ampitombo ny taha ahombiazan’ny FIV dia misy ireo torohevitra tsara ampiarina, toy ny :
-Fampitsaharana ny fifohana sigara, na vavy na lahy ;
-Fanaovana fanatanjahantena ;
-Fikatsahana ny lanja idealy sy ara-pahasalamana ho an’ny vatana ;
-Fanaovan’ny vehivavy vaksiny fanefitra ny gripa satria mety hiteraka fahafahan-jaza izany aretina izany.

Lire la suite

Articles Similaires