• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Matériel Horeca
Image
DYI

Ireo torohevitra tsotra fanadiovana fatana « induction »

15/05/2024 09:36 © Moov.Mg

Mora mahamasaka sakafo, maoderina, tsara endrika nefa koa mila tandremana satria mora simba ny fatana « induction ». Mila diovina tsara izy io isaky ny avy ampiasaina mba tsy hiangona ireo loto mety hanimba azy. Atoro eto ary ny fomba atao hanadiovana ny fatana « induction » mba hiarovana azy tsy ho simba vetivety.

Tandremana tsara ny akora ampiasaina amin’ny fanadiovana ny fatana « induction »

Mila fitandremana tsara ny fikolokoloa ary indrindra ny fanadiovana ny fatana « induction ». Sarotra tokoa mantsy ny manamboatra ny tampony, izay vita amin’ny fitaratra, raha toa ka kiaka, vaky na feno loto matevina niandrona. Mba tsy ahakiaka azy dia fadiana ny mampiasa akora vovony na koa « éponges abrasives ».
Tsara kokoa raha ireny « chiffon microfibres » na lamba malefaka no ampiasaina. Raha tsy manana ny fitaovana manokana (grattoir) fikikisana fatana « induction » dia « spatule en bois » no hanesorana ireo loto miraikitra amin’ny fitaratr’ilay fatana. Endrasana mangatsiaka tsara ny fatana vao diovina.

Kosehana mora amin’ny vinaigitra fotsy ny fitaratry ny fatana

Efa tsy zoviana amintsika intsony ny vinaigitra fotsy amin’ny fanadiovana fitaovana isan-karazany ao an-trano. Mandaitra ihany koa izy io amin’ny fanadiovana sy fikolokoloana ny fatana « induction ». Lemana amin’ny vinaigitra fotsy ny « chiffon » malefaka ary kosehana moramora mba hanadiovana azy. Avela hiasa minitra vitsy alohan’ny hanakobanana azy amin’ny « chiffon » na amin’ny « éponge » lena. Rehefa vita izay dia fafana amin’ny « chiffon microfibre » maina sy madio.

Diovina amin’ny voasary makirana ny fatana « induction »

Isan’ireo akora natoraly manampy betsaka amin’ny fanadiovana ny fatana « induction » ihany koa ny voasary makirana. Ity farany moa dia mandaitra indrindra amin’ny fanesorana ireo loto sy tasy miraikitra eo amin’ny fitaratry ny fatana. Tsotra ny fampiasana azy. Zaraina roa ny voasary makirana ary iny no hikosehana ny tampon’ilay fatana. Tohizana kosehana moramora hatrany mandrapiala ny loto. Rehefa vita izay dia kobanina amin’ny « éponge mando » ary fafana ho maina amin’ny « chiffon microfibre ».

Mampiasa « argile blanche » navadika lasa paty

Efa maro eto amintsika ny mivarotra « argile blanche ». Matetika moa dia eny amin’ireny mpivarotra tapa-kazo ireny no ahitana azy io. Miendrika vovony moa no tena ahitana azy io eto amintsika. Araka ny voalaza teo ambony nefa dia tsy tsara diovina amin’ny akora vovony ny fatana « induction ». Noho izany dia mila avadika lasa paty aloha izy io. Tsotra ny fanaovana azy, maka « argile blanche » 3 sotro fihinanana ary afangaro amin’ny rano matimaty 2 sotro fihinanana. Io fangaro io no alaina amin’ny lamba malefaka mandomando dia hikosehana ny fatana. Kobanina amin’ny « éponge » lena avy eo fafana amin’ny « chiffon microfibre ».

Lire la suite

Articles Similaires