• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Wikipédia
Image
Vaovao

Eglizy Katolika : Tsy mankasitraka ny famosirana sy ny fandrindram-piterahana ny fivondronam-ben’ny Eveka

14/05/2024 16:05 © Moov

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny Eglizy Katolika. Fotoana izao hanaovana fanambarana mahakasika ireo toe-javatra roa izay nitana ny sain’ny maro tato anatin’ny fotoana naharitra, hoy ny Fivondronam-ben’ny Eveka Katolika, dia ny mahakasika ny famosirana ireo mpanolana sy ny fandrindram-piterahana izany. Nitondra ny tenin'ny Eveka taorian'ny fivoriana niarahana ny sekretera jeneraly, ny Monseigneur Gabriel Randrianantenaina.

Tsy ekena ny famosirana

Araka izany fanambarana izany dia tsy manaiky ity lalàna vaovao momba ny famosirana ity ny Eglizy Katolika. Ekena anefa fa heloka be vava ny fanolanana na ny fanararaotana amin’ny endriny hafa ary manameloka izany ny Eglizy, hoy ity tompon’andraikitra ity tamin’ny fanambarana nataony. Etsy andaniny anefa dia mitaky ny fiahiana manoakana ireo voaolana izy ireo. Notohizany tamin’ny fangatahana ny fampiharana ny lalàna tokony ho izy izany fanamabrana izany. « Raha ny lalàna efa misy no ampiharina ara-dalana sy notohizan’ny rehetra dia tsy ho tonga amin’izao lalàna hafahafa izao isika. Tena vahaolana hahafoana ny fanolanana ve izany ? », hoy hatrany izy ireo. Tsy manaiky izany izy ireo raha nilaza fa ny fampianaran’ny Eglizy na ny fanambarana ny zon’olombelona, na ny lalàna misy eto amintsika dia miray feo fa manohitra ny hasina mahaolona ny fampijaliana hampiasana herisetra. Masina ny vatan’olombelona ka tsy misy olona manam-pahefana ny hikitika izany, hoy izy ireo namarana izany.

Fandrindram-piterahana voajanahary

Momba ny fandrindram-piterahana indray kosa dia ny voajanahary no eken'ny Fiangonana ary ampirisihina ny hisian'ny fanofanana momba izany. « Lasa zary hataon’ny fitondram-panjakana ankehitriny ho fandaharan’asa sy laharam-pahamehana ny fanapariahana ny fandrindram-piterahana. Safidy sy sitrapon’ny mpivady mandrakariva anefa ny manapa-kevitra ny hiteraka ka andraikiny ny zaza aterany amin’izany safidy sy sitrapo izany. Ny fandrindram-piterahana ara-boajanahary kosa no mifanaraka amin’ny fampianaran’ny Eglizy katolika satria manaja ny hasina maha-olona. Amporisihin’ny Eglizy ny fampianarana sy ny fampiofanana momba izany », hoy hatrany ny Mgr Gabriel Randrianantenaina.

Lire la suite

Articles Similaires