• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Au Boulot
Image
Asa & Fianarana

Ireo toe-tsaina mampahomby eo amin’ny sehatry ny asa

14/05/2024 15:05 © Moov.Mg

Samy maniry ny ho tonga amin’ny toerana ambony ao amin’ny toeram-piasany avokoa ny ankamaroan’ny mpiasa. Maro ireo efa tody amin’izany fa mbola maro ihany koa ireo tsy mbola nahatratra ny tanjony. Ireto manaraka ireto ary ny toe-tsaina tsara hananana mba ahombiazana eo amin’ny sehatry ny asa.

Mametraka tanjona mazava

Ny fametrahana tanjona mazava no isan’ny fomba voalohany ahombiazana eo amin’ny sehatra ny asa. Dieny vao miditra amin’ny tontolon’ny asa dia fantarina hoe inona ny fivoarana azo tanterahana mba ahatongavana amin’ny toerana ambony kokoa rehefa any aoriana. Mazava ho azy fa misy ny antanantohatra mila lalovana amin’izany. Ireny antanantohatra ao amin’ny toeram-piasana no ezahana atao tanjona miandalana. Rehefa voafaritra tsara izany dia mitombo ny risi-po sy ny fahazotoana manantanteraka ny asa.

Mampiseho fahavononana sy fifehezan-tena hatrany

Ny tsy fahampiana fifehezan-tena no isan’ireo antony lehibe tsy mampahomby eo amin’ny sehatry ny asa. Mila ampiseho hatrany ny fahavononana sy ny fahazotoana miasa. Atao mipetrapetraka hatrany ny fandrindrana ny fotoana hiasana. Fadiana ny mangatakandro, ny manapatapaka asa, ny fahatarana lava… Rehefa mahay mandamina fotoana, manana risi-po ary mahay mifehy tena dia mora kokoa ny mandroso amin’ny asa.

Tsy mionona amin’ny zavata hay

Mahomby kokoa eo amin’ny tontolon’ny asa ny olona tia karokaroka sy tsy mionona amin’ny zavatra hay. Marina fa efa voafaritra avokoa ny anjara asan’ny tsirairay ao amin’ny toeram-piasana. Tsy mahafaty antoka nefa ny miezaka mamantatra sy mianatra ny asan’ny hafa. Mety manampy betsaka amin’ny fahazoana toerana ambony kokoa ao amin’ny toeram-piasana ny fifehezana asa maro. Raha ilaina dia manaraka fiofanana fanampiny ampitomboana ny fahaiza-manao efa ananana.

Tsy mitsahatra manao fanamby amin’ny tena

Fomba iray manosika hivoatra sy handroso hatrany eo amin’ny sehatry ny asa ny fanaovana fanamby amin’ny tena. Izany hoe, mikatsaka ny hanatsara hatrany ny fomba fiasa fa tsy mionona amin’ny zavatra tsara efa vita sy ny fahombiazana efa azo. Atao fanamby hatrany ny fanatratrarana tanjona iray ary rehefa tratra izany dia mikaroka tanjona ambony kokoa. Tandremana kosa nefa mba tsy hibahana be amin’ny fiainana izany fikatsahana ny fivoarana amin’ny asa izany. Mila mahay mandanjalanja ny fiainana ara-kasa sy ny fiainana manokana.

Lire la suite

Articles Similaires