• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © La Belle Adresse
Image
DYI

Torohevitra hanesorana ny tasy avy amin’ny lokom-bolo

14/05/2024 11:05 © Moov.Mg

Maro amintsika tokoa ny efa sendra ny hoe nandoko volo tao an-trano dia nihositra teo amin’ny akanjo ilay lokom-bolo. Sarotra esorina tokoa izy ireny ary manimba endrika ny lamba. Ireto ary misy torohevitra tsotra hanesorana ny tasin’ny lokom-bolo eo amin’ny lamba.

Vinaigitra fotsy sy karibonetra

Akora roa fampiasa amin’ny fanadiovana zavatra maro ao an-trano ny vinaigitra fotsy sy ny karibonetra. Manampy betsaka amin’ny fanesorana ny lokom-bolo miraikitra amin’ny lamba ny fangaro azo amin’ireo akora roa ireo. Tsotra ny fomba fanamboarana azy. Afangaro amin’ny karibonetra 1 sotro fihinanana ny vinaigitra fotsy 3 sotro fihinanana. Rehefa mifangaro tsara dia ahosotra eo amin’ny faritra misy ilay tasy. Avela hilona eo mandrapivoakan’ny bontsin-drano kely. Avy eo somary kosehana amin’ny tanana mba hiditra anatin’ilay lamba io fangaro io. Kobanina ilay fangaro hiala alohan’ny hanasana azy toy ny mahazatra.

Ranona voasary makirana

Fikafika natoraly mandaitra amin’ny fanalana ny tasin’ny lokom-bolo mipetaka amin’ny lamba ny ranona voasary makirana. Ny lokom-bolo mbola lena sy vao namela tasy no ampiasana azy io. Raha vantany vao voan’ilay lokom-bolo ny akanjo dia rarahana ranona voasary makirana malaky. Kosehana amin’ny tanana mba hiditra tsara anatiny ilay faritra misy tasy ilay ranona voasary makirana. Avela hiasa mandritra ny 10 minitra avy eo kobanina amin’ny rano matimaty. Aorian’izay vao sasana tsara amin’ny savony sy rano ilay lamba.

Fanesorana ny tasin’ny lokom-bolo eo amin’ny hoditra

Matetika rehefa mandoko volo ao an-trano dia misy tratran’ilay lokom-bolo ny hoditra, indrindra ny andrina na koa ny tanana raha tsy nampiasa « gants ». Mety maharitra andro vitsivitsy vao afaka izany tasy izany raha sasana tsotra fotsiny. Mba hanesorana azy vetivety dia kosehana moramora mandritra ny 2 minitra amin’ny « coton » nolemana rano kely sy nasiana tain-tsigara. Kobanina tsara amin’ny rano matimaty mba hadio tsara.
Azo atao ihany koa ny misoroka ny tasin’ny lokom-bolo eo amin’ny hoditra amin’ny alalan’ny fanosorana menaka zavamiry eo amin’ny faritra atahorana ho tratr’ilay loko. Anisan’ny menaka azo ampiasaina amin’izany ny « huile d’amande douce », ny diloilo coco…

Lire la suite

Articles Similaires