• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Top Santé
Image
Fahasalamana&Sakafo

Torohevitra natoraly manampy ampitoniana ny kaikitry ny bibikely

13/05/2024 14:57 © Moov.Mg

Toe-javatra efa fahita eny amin’ny fiarahamonina eny ny voakaikitry ny bibikely (insectes). Ankoatra ny hidihidy dia mety mahatonga fivontosana, faritra mivaramena amin’ny hoditra, fanaintainana izany kaikitra izany. Ireto ary misy fikafika natoraly manampy mba hampitoniana izany.

Osorana vinaigitra ny faritra nokaikerin’ny bibikely

Efa fahenontsika hatry ny ela ny hoe hosorana vinaigitra ny faritra nokaikerin’ny bibikely mba hampitoniana ny hidihidy, ny fivontosana na koa ny fanaintaina haterak’izany. Azo ampiasaina amin’izany avokoa na ny vinaigitra fotsy na ny « vinaigre de cidre ». Noho ireto farany mitahiry « acide acétique » amin’ny tahany ambony no mampandaitra azy ireny. Asiana vinaigitra ny « coton » na « compresse » ilay faritra voakaikitry ny bibikely ary avela hipetraka kely eo mandritra ny minitra vitsy.

Petahana karibonetra natao paty ilay faritra voakaikitry ny bibikely

Azo atao ihany koa ny mampiasa karibonetra mba hampitoniana ny hidihidy, ny fanaintainana na ny fivontosana vokatry ny kaikitry ny bibikely. Maka karibonetra 1 sotro fihinanana ary tapohana rano 1 sotro fihinanana. Atao mifangaro tsara mandrapahazoana paty marihitra. Ahosotra eo amin’ilay faritra voakaikitra io paty io. Avela hilona eo mandrapaha mainany avy eo kobanina amin’ny rano matimaty. Azo asiana ranona voasary makirana na vinaigitra kely in-droa mitete ihany koa io fangaro io mba hampandaitra azy kokoa.

Hafanana sy hatsiaka hampitoniana ny tsindron’ny tantely sy ny takola

Anisan’ny manaintaina tokoa ny voatsindron’ny tantely sy ny takola. Raha mitranga izany dia esorina aloha ilay « dard » na ilay toy ny fanjaitra kely nitsatoka teo amin’ny hoditra iny. Tsara kokoa raha mampiasa « pince à épiler » mba tsy ahatapaka azy rehefa misintona azy. Avy eo diovina amin’ny rano sy savony ilay ratra. Osorana « désinfectant » ihany koa.
Mba ampitoniana ny fanaintainana sy tsy ampivonto be ilay faritra voatsindrona dia hafanaina amin’ny « brushing » mandritra ny roa minitra izany. Azo atanina amin’ny « briquet » mirehitra ihany koa raha tsy manana « brushing ». Mamono ny poizina nitsofoka tao anaty hoditra ny hafanana. Manarak’izay dia asiana hatsiaka be tampoka, toy ny « glaçon » nofonosina lamba kely mba hampitony ny fanaitainana.

Lire la suite

Articles Similaires