• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Sage-Femme Pratique
Image
Reny&Zaza

Reny miasa : ireo fanampiana ara-bola avy amin’ny CNAPS

13/05/2024 09:02 © Moov.Mg

Ankoatra ny fahazoana ny « congé de maternité » dia manana zo misitraka fanampiana ara-bola mandritra ny fitondrana vohoka sy ny fiterahana ny vehivavy miasa. Mazava ho azy fa ny mpiasa manao « cotisations » amin’ny CNAPS no voakasik’izany. Inona avy ary ireo fanampiana ara-bola azon’ny bevohoka avy amin’ny CNAPS ?

Ny antsasaky ny karama na « indemnité de demi-salaire »

Mandritra ny « congé de maternité » dia mandray karama feno ny reny tera-bao ao anatin’ny fe-potoana tsy hiasany. Ny antsasaky ny karama ihany anefa no alohan’ny orinasa na ny mpampiasa fa ny antsasany dia alohan’ny CNAPS. Marihana moa fa misy antontan-taratasy fenoina sy aterina any amin’ny CNAPS mba ahafahana misitraka izany vola "indemnité de demi-salaire" izany.
Noho izany, alohan’ny handehanana « congé de maternité » dia mila mameno ny « fiche jaune » ny bevohoka ary maka ny taratasy fangatahana eny amin’ny biraon’ny CNAPS. Vola mitentina ny antsasaky ny karama farany azon'ilay reny (salaire brut) talohan'ny nandehanany « congé de maternité » no azo amin’izany. Mizara 2 ny fandoavan'ny CNAPS azy :
-Ny ampahany voalohany dia alohan'ny CNAPS rehefa voarainy ny taratasy fangatahana izany ;
-Ny ampahany faharoa kosa dia alohany rehefa mamerina ny taratasy manamarina ny fiverenana miasa avy any amin'ny mpampiasa.

Ny « allocation prénatale » na fanampiana ho amin’ny fiterahana

Arak’izany fiantsoana azy izany dia fanampiana ara-bola omen’ny CNAPS ho fanampiana ny vehivavy amin’ny fiterahana ny « allocation prénatale ». Ny vehivavy bevohoka, na miasa izy, na ny vadiny ihany no miasa, no afaka misitraka azy io. Mba ahafahana mahazo ny « allocation prénatale » dia mila mikarakara ny « fiche rose » eo amin’ny faha 12SA (3 volana) hatramin'ny 16SA (4 volana) ny fitondrana vohoka.
Ankoatra izay dia maka taratasy fangatahana eny amin’ny CNAPS. Mila entina ny karne fisafoana rehefa haka izany. Fenoin’ny any am-piasana ilay fangatahana. Aterina any amin’ny CNAPS alohan’ny faran’ny volana namenoana azy tamin’ilay nisafo, miaraka amin’ny taratasy fahazoan-dalana avy amin'ny mpampiasa sy ny soram-piankohonam-panambadiana raha toa ka vao voalohany nangatahana io volan'ny bevohoka io. Tandremana tsara mba tsy hisy mitakosina ireo antontan-taratasy ireo sao tsy raisin'ny CNAPS.

Ny « allocation de maternité » na ny fanampiana rehefa avy niteraka

Aorian’ny fiterahana dia misy ihany koa ny fanampiana ara-bola azo avy amin’ny « CNAPS » izay antsoina hoe « allocation de maternité ». Vola alohan'ny CNAPS amin'ny reny niteraka zaza velona, na miasa izy na ny vadiny ihany no miasa. Mizara 2 ny fotoana hisitrahana azy io :
-Ny ampahany voalohany rehefa vao teraka ny zaza. Mila manatitra ny « certificat d'accouchement » (feuillet N°1) eny amin'ny CNAPS alohan'ny mahafeno 1 volana ny zaza mba hisitrahana azy io.
-Ny ampahany faharoa rehefa avy nizaha fahasalamana ny reny sy ny zaza rehefa feno 5 hatramin'ny 7 volana ny zaza. Eo indray no fenoin'ny dokotera ny « feuillet N°2 » ary aterina eny amin'ny CNAPS alohan'ny mahafeno 7 volana ny zaza.

Lire la suite

Articles Similaires