• Cours de change
  • 4715.96 AR
  • |
  • $4425.78 AR
Copyright Image : © Ici Artv
Image
Tantara

Tantara indray miseho : Mpamosavy malemy

02/04/2024 09:02 © Moov

Mba reny toy ny ahoana re aho e ? Izaho ihany no nandatsaka ny ain-janako. Izaho, ilay nitondra folo volana an-kibo no nahavita namorika ny sombin'ny aiko tokana. Lany taranaka aho, lany harena, mitoka-monina, tsy manan-kavana intsony ... noho ny hadalako ! Mpamosavy malemy aho, ny tao an-tranoko ihany no naripako !

Fizarana voalohany : Reny tantely

Vao folo taona monja i Tefy dia efa nandao anay ny vadiko. Fahoriana tokoa ny namoizana azy satria maty tany amin'ny faritany izy. Zara raha nahita vola nandehana tany an-toerana izahay mianaka kely. Noho ny tsy fananana, nalevina tany ny vadiko, rehefa niantran'olona tsara fanahy tany ka nampindrana fasana. Tsy mba nisy nanampy ahy ny havana roa tonta satria tsy nisy nankasitraka ny fiarahanay. Rehefa avy nandevina aho, tapa-kevitra aho fa hangataka fanampiana any amin'i dada sy neny.
-Mba vonjeo re ry dada sy neny fa tena tanampolo aho ity nefa ity zafikelinareo tsy mahalala tsy misy ....
-Tsapanao tsara ve izao ny todin'ny nataonao tamin'ny tsy fanarahana ny teninanay ? Izao ianao mananontena mbola tanora sady efa misy kitra amin'ity zaza ...
-Sakafo ve ry dada sy neny no mba angatahiko dia latsa mikasika ny raharahan-tokantranoko no azoko ? Fa inona loatra ny ratsy nataonay anareo ? Nanaja anareo tanteraka iny vadiko iny fa ianareo anie no tena niavona e !
-Mandehana manaraka azy any am-pasana raha malahelo. Niaraka taminy tsy nahalala anay koa izao nilaozany vao domy aho ranoatra !
-Mba namangy anareo foana izahay fa vao teny am-baravarana dia noroahinareo ... Izao indray mba nahazo nandroso saingy vava ratsy kay no efa nomaninareo ... Aoka aho handeha, ary tsy handindana ity tokonam-baravarana ity intsony ... Tiako ny vadiko ary vitako ny zanako ...
-Mandehana any koa e, efa tsy zanakay intsony ianao !
Niampy trotraka indray ilay fery vao tao am-poko. Nanary ahy tanteraka ireo ray aman-dreniko, ary na ny mason-janako nipitrapitra aza tsy nasian'izy ireo vidiny intsony. Ny hany heriko dia nivarotra ilay vata fahitalavitra tsara tarehy tao an-trano. Ny vola azoko tamin'izany no nividianako sy sakafo sy nanombohako varotra kely. Tsy dia nahazoana tombony firy nefa izany varotra izany satria zara raha mahita sakafo kely sy fitafiana ho an-janako aho. Iny izaho lasa saina be iny no nisy ramatoa lehibe nanatona.
-Inona ity maha-lasa saina an-driko retsy ? Tsy mandeha angaha ny tsena ? Reraka mafy anie ny fahitako an-driko izany e !
-Tsy hita izy ity rabebe a, reraky ny adim-piainana e ! Mamelona irery ka tsy maintsy mihafy e !
-Manana vahaolana tsara ho an-driko aho, raha liana hanaraka ahy ndriko dia atoroko. Ho afaka ny fahasahiranan-driko e. Ahorony ny entana aloha dia andao isika hitokana ery amin'ny mangingina ery.
Toa ny nisy hery nisintona ahy izany hanaraka ilay ramatoabe. Toa mba tsotra ihany ny paoziny, tsy dia nampiahiahy firy. Nambarany tamiko tamin'izany fa efa maty avokoa ny zanany ka mitady mpandimby izy. Saro-pady nefa hoy izy ilay resaka ka mila ahy tena vonona dia ho azoko avokoa izay rehetra tadiaviko.
-Tadiavinao ho lasa mpamosavy aho izany ? Ratsy anie izany e !
-Izany tokoa ara-bakiteny, saingy tsy voatery hanisy ratsy olona anie indriko amin'izao voalohany izao e ! Mila arahindriko fotsiny ireo fombafomba notanisaiko teo ireo.
Nandinika tsara aho ka tena tapa-kevitra. Ny soa ho an-janako ihany no tao an-dohako. Vao nanaiky aho dia nentin-dramatoabe tamin'ny trano tsarabe iray. Ny nahagaga ahy dia toa tsy tsaroako akory ny fomba nahatongavanay mianaka tany. Nanomboka teo dia nilamina ny fiainanay. Tsy dia nisy nanahirana firy. Afaka niverina nianatra soa aman-tsara i Tefy kely. Ny tambin'izany kosa nefa dia mivoaka alina hatrany izaho sy ramatoabe. Nandritra ny folo taona teo ho eo no nilalaovanay teny ambony fasana isak'alina, ary tsy mbola nisy nahatratra mihitsy izahay. Izaho manokana dia tsy mbola nisoavaly olona, fa ramatoabe no efa nitantara tamiko fa mpanao izany rehefa mandeha lavitra tsy misy ahy.

Fizarana faharoa : Reny mpamingana

Taona faharoa teny amin'ny ambaratonga ambony i Tefy : roapolo taona mahery izy. Tamin'izany no nanomboka tsy dia salama intsony ramatoabe. Sahirana mafy aho tamin'ny fikarakarana ka nalefako nitokan-trano tany akaikin'Ankatso tany aloha i Tefy. Niha-sarotiny tokoa mantsy ramatoabe ny amin'ireo fombafomba sy fadifady mila hajaiko. Efa manakaiky hono mantsy ny ora farany ka tsy maintsy mitadidy tsara izay ambarany rehetra amin'izay aho. Indray alina àry, nentiny tamina toerana tsy falehanay aho.
-Ireo daholo retsy ny lehibetsika sy ny namantsika a ! Ireo no antonindriko rehefa misy olana indriko, indrindra moa fa raha te hampitombo ny hery ananandriko.
-Toa mampatahotra be daholo ireto izy...
-Folo taona nilalaovana teny ambony fasana ve retsy dia mbola matahotra ihany a ! Raiso iry antsy iry, tataho ny tanandriko ary alatsaho ao anatin'io kapoaka mainty io ny rà. Misotro amin'io indriko avy eo satria misy ny ràn'ireo lehibe rehetra io. Androany no anandratana an-driko hanolo ahy.
Nanomboka teo dia nitombo ny heriko : matetika aho no mahita ny hoavy sady afaka maminany ny any an-tsain'olona. Efa fantatro ihany koa ny ora sy ny fotoana andaozan-dramatoabe ny tany. Rehefa niala aina àry ramatoabe dia nofihininy mafy ny tanako sady nobanjininy tamin'ny maso tsara aho. Fombafomba be ny fandevenana ka tsy niantso afa-tsy ireo lehibenay aho. Avy eo dia nigalabona tamin'ny harembe sy tamin'ny fahefana tsy takatry ny saiko aho. Nasaiko nody i Tefy satria nangina be aho, fialan-tsasatra rahateo izy ireo.
-Misy zavatra manitikitika ny saiko ho'aho ry mama
-Mikasika ny inona izay anaka ?
-Fa naninona aho no tsy mba nantsoin'i mama tamin'i bebe maty ? Olona nanao soa ahy anie iny ry mama e !
-Nalain'ny havany teto re izy rehefa tena narary mafy ka na izaho aza anie tsy nanatrika ny fandevenana azy akory e !
-Hafahafa izany ry mama. Ary nametraka volabe angaha izy fa toa mbola miadana be foana isika nefa mama aza tsy miasa akory ?
-Eny anaka, mbola ampy antsika tsara ny lova navelany fa aza manahy.
Niezaka nisikosikotra teo ilay zanako ka saika fanin'ny fanontaniana aho. Hanambady hono mantsy izy ka tsy hitany izay ilazàna ny asany amin'ilay vehivavy miaraka aminy. Tezitra mafy aho satria toa tsy hitako tamin'ny fahitana izany fikasan-janako izany. Ny tena loza dia mpivavaka ilay vehivavy ka na ny nahita azy aza toa mampihena ny heriko izany. Nanomboka teo aho no nikaroka hevitra mba tsy iarahan'ilay zanako aminy intsony. Mazava ho azy, ny herin'ny odiko no nitokiako. Tena nandaitra tokoa izany satria henoko ny sombin-dresak'izy ireo.
-Tefy a, tena tsy mazoto mankaty aminareo intsony aho. Toa misy hery manindry ahy izany rehefa miditra ato aho. Sady tena hafahafa anie ny fijerin'ny reninao ahy e.
-Indry kosa angamba no mbola menamenatra e, olona tsotra anie i mama e, rehefa zatra azy indry dia hitandry eo fa afaka mifanaraka tsara ianareo mianaka. Sady ato ihany anie isika no hipetraka rehefa vita ny vodiondry e, tranobe ity ve efa misy dia mbola ho aiza indray isika.
-Tena tsoriko aminao fa tsy miombon-kevitra aminao aho. Aleo aloha isika handinika tsara fa tsy maimaika.
Tsy naneho mivantana ny tsy fankasitrahako ny fiarahan'i Tefy sy Lanja aho. Nataoko kosa nefa izay tsy andehanan'ity farany tao aminay intsony. Nioritra teny am-bavahady ny tongony ka niverin-dalana toy ny tsy teo, ary tsy sahy niditra tao aminay intsony nandritra ny volana maromaro. Tsy nisy nahasitrana ilay tongony mantsy na ny dokotera na ny mpanotra. Efa ho herintaona vao reko fa sitrana izy, rehefa nivavahan-dreniny hono.

Fizarana fahatelo : Reny mpamorika

Roa taona teo ho eo no lasa taorian'ny nahafatesan-dramatoabe. Nitombo laza, voninahitra, fananana aho. Ny zanako kosa nefa tsy nety afaka tamin'ilay kalakely mpivavaka. Sahy nilaza tamiko ny zanako fa hampakatra azy ho vady satria efa samy miasa izy ireo ka manana ny enti-manana iatrehana tokantrano amin'izay. Tovolahy maherifo i Tefy ka tsy niankina tamin'ny harembeko.
-Hivady izahay ry mama fa mangata-tso-drano aminao. Mikasa hanofa trano nefa aloha izahay mandra-pahangonay vola ividianana ny anay manokana.
-Izany ve no nitaizako anao tato ? Ny handao ahy rehefa mahita ny tianao ianao ? Ataonao ahoana ny fandao ity reninao ? Atao inona ity tranobe ity raha ilaozanao ato aho ?
-Hamangy anao tsy tapaka anie izahay ry mama e. Tsy irery izany ianao fa ireo mpiasa be dia be ireo manara-maso anao eto ihany. Sady azonao antsoina amin'ny fotoana rehetra izahay anie e !
Be fandaharan-teny tokoa i Tefy ka tsy laitra nahodina tamin'ny fikasany. Tsy nankasitraka mihitsy nefa aho satria manota fady ato an-tranoko hatrany ikala. Ny zanako aza toa efa mahay an'ity mivavabavaka ity, rehefa hisakafo sy alohan'ny hatory. Mikasa hanamasina mariazy any am-piangonana ihany koa hono izy ireo. Tohina tanteraka ny foko sady manahy mafy aho sao hihena ny herin'ny odiko. Tamin'izany indrindra no niketrehako tetika hamonoana an-drakalakely. Mody nanasa azy roakely hisakafo aho, ka norarahiko poizina ny verany.
-Tongasoa ato amin'ny fianakaviana izany retsy. Mipetraha etsy fa eo ny toerana efa nomaniko ho andry.
-Misaotra mama ah, mahatsiaro ho maivamaivana tokoa aho nahazo ny tso-drano avy aminao mikasika ny raharahanay.
-Mazotoa daholo àry, dia aleo aloha samy mivavaka any am-pony fa tsy miteny mafy.
-Mama ah, mba angalao sira kely azafady fa tena tsy mety amiko izany sakafo matsatso izany.
-Eny ary fa lasa kely aho.
-Tena tsy mahazaka an'ity garana ity aho Tefy fa sotroy ity ka, sao midina eo ny tension-ako.
-Ento aty ary sotroiko haingana e, sao mahasosotra an'i mama mantsy.
Minitra vitsy monja taorian'izay dia nandao ny tany ilay zanako tokana. Nosotroiny ilay ranomboankazo saika namonoako ilay fofombadiny. Toa nanahy ahy izany ilay tovovavy satria nivoaka faroratra fotsy ny vavan'i Tefy tamin'izy nanary aina. Teo aho no nanenina mafy satria mahery vintana tokoa kay ilay tovovavy. Tsy navelako hanatrika ny fiandrasam-paty sy ny fandevenana izy satria narary ahy loatra ny zava-doza vitako. Nanapa-kevitra aho fa hiala amin'ny famosaviana fanaoko, ka notaiko fady ny odiko rehetra. Nirehitra ilay tranobe tsara tarehy, ary may tao daholo ny fananana, ny fanaka sy ny ody rehetra. Izaho koa velon'aina ihany fa mitsipozipozy. Trano bongo sisa no ipetrahako ary tsy mitsahatra manofy ratsy aho isak'alina. Indray alina aza moa dia efa nokendain'ilay lehibenay aho satria nivadika tamin'ny fanekena natao hono, saingy soa fa tsy matiny. Antenaiko nefa fa mbola handray ny fanahiko izao Andriamanitra izao rehefa tonga ny andro ialako ety an-tany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo