Tantara indray miseho : Iny zanako iny ...
"Andriamanitra ô! Iny zanako iny, ononinao ny fony, fa rava sasakalina 'lay nofy namololony. Itanilao fa kivy, herezonao ho tony, fa kotsan-dranomaso ny ondany sy fony..." Rado
-Tsy hianatra intsony aho ry mama ah !
-Zazakely vao firy taona ve retsy ity Dia tsy hianatra intsony ahoana a ?
-Tsy afaka CEPE anie izaho ry mama e, izaho irery no tsy afa-panadinana tao am-pianaranay... Ny ankizy rehetra afaka daholo... Sady taiza koa i mama no efa nahare hoe ankizy tsy afaka CEPE izany...
Naleoko nangina. Fantatro fa tsy haharesy doika azy aho. Vao 9 taona monja i Kalo. Zaza mba mahay ihany izy tany am-pianarana saingy resy noho ny fahantrana. Tsizarizary na ny fitafy na ny fitaovam-pianarana na ny sakafo : vao fanadinam-panjakana voalohany izy dia rendrika.
Iny zanako iny, mba iangaro kely
Baribary maso, somary petak'orona, olioly volo, mangamanga fihodirana, mailamailaka fandeha, sahisahy miteny : tsy iza izany fa i Kalo, ilay zanako. Vavitokako izy, tsy sanatria zaza sary fa kely kamboty. Dimy taona i Kalo no nodimandry ny rainy, ka ny sasalamba kely sy ny fikaramana amin'olona etsy sy eroa no mba hamelomako azy. Sahirana tokoa aho amin'ny fampianarana azy, na dia misy sekolim-panjakana aza ety aminay. Nifindra kilasy foana i Kalo, saingy tamin'ity indray mitoraka ity, tsy afaka CEPE izy.
-Maninona nefa akia raha mamerin-taona ? Hianatra any amin'ny CEG daholo anie ireo mpiara-mianatra tamin'dri rehetra e. Tsy hifankahita akory ianareo rehefa mandeha mianatra satria mifanao atsimo sy avaratra ny EPP sy ny CEG...
-Tsy hianatra intsony aho ry mama ah. Aleoko manampy anao mitady vola, sady tsy mifantoka mihitsy anie aho e
-Raha vola no mampiasa saina anao, aleo fa hitalaho any amin'ny anabavin-drain'dri aho, sitrany ahay hividianana fitaovam-pianarana
-Tsy mba fain'ny vava ratsin'iny ramatoa iny i mama ity ka. Aleo ary aloha aho hijanona amin'ity taona ity, dia hita eo indray izay ho tohiny. Teneniko ihany mama rehefa mazoto indray aho
Indrisy mantsy, tsy ampy folo taona akory ilay zanako dia namoy ny fianarany. Niara-niady tamin'ny fiainana izahay mianaka : valala iray no nifanapahana. Na dia natanja-tsaina aza i Kalo kely, fantatro fa narary mafy ny tany am-pony. Tsy mba mpitaraina tamin'olona izy : mbola kely izy dia efa nizaka ny anjara hazo fijaliany sahady.
-Fa maninona akia indri ry Kalo no tsy mianatra intsony ?
-Tsy mazoto akia aho ah. Izaho mihitsy no niteny tamin'i mamanay hoe tsy hiverina hianatra intsony.
-Dia ahoana izany ilay nofinofin'dri hoe hanao dokotera rehefa lehibe ?
-Natao ho anareo mpanakarena angamba akia izany a ...
Iny zanako iny, ononinao ny fony
Nandeha ny volana, nivadika ny taona ... Lehibe i Kalo, tena lasa tovovavy. Nanan'endrika tokoa izy, sady tena tia madio na dia tsy nanana ny ampy aza. Nahavita nanangana tsenakely fivarotana enta-madinika sy saribao izahay mianaka, ka azo lazaina fa mba netinety ny fiainanay : mba nahita izay harapaka in-telo isan'andro izahay. Hitako bongomaso matetika nefa izy satria mizaka ny fanambaniana sy ny fanilihana ataon'ny manodidina anay.
Indray andro, naresaka be ny teo an-tanana fa nisy vahiny marobe tonga. Orinasa lehibe iray no nandefa mpiasa maro nanamboatra lalana sy tranom-panjakana teo amin'ny toerana nisy anay. Nanangana trano fanitso vonjimaika mihitsy izy ireo satria volana maromaro no faharetan'ny asa. Teo indrindra no nisehoana tantara nampalahelo tamin'ny fiainanay.
-Lasa jejojejo mihitsy indri ry Kalo tato ho ato. Sady izay matetika tsy ao an-tsena mihitsy mba manampy an'i Mama
-Izany ve ry mama ?
-Toa mody gaga fotsiny indri ? Inona loatra no mahavariana any ivelany any e ?
-Mety hanambady angamba aho ry mama...
-Fa hanambady ahoana ? Hanambady an'iza ? Mbola vao 16 taona anie indri ry zanako e... Fa iza hono izany tovolahy misary zoro amin'dri ka ?
-Anisan'ireo mpanao lalana vao tonga izy ry mama a ... Fa efa niresaka izahay dia hijanona aty hono izy raha manaiky ny fitiavany aho...
Tena tsy naharay lamba ilay zanako tamin'ilay tovolahy. Nahatoky an'ilehio ny fony na dia vao herinandro aza ny nifaneraseran'izy ireo. Mba nahalala fomba kosa nefa ilay tovolahy ka tonga niresaka tamiko. Enim-bolana taorian'ny niarahan'izy ireo, nilaza ilay tovolahy fa hanafatra ny ray aman-dreniny hiseho sy hanao izay fombafomba rehetra ny amin'ny hampiakarany an'i Kalo ho vadiny.
-Mama ah, tena mila miantsena kely isika sao ho afa-baraka eto
-Eny tokoa retsy, aleo manao metimety isika mianaka, sady amboamboarina kely koa ny ato an-trano
-Marina mihitsy izany. Manana tapa-bolana izany isika hanaovana izay mety.
Nody tany aminy ilay tovolahy, araka ny nifanarahana, hoe hampandre sy haka ny ray aman-dreniny. Nifanafatrafatra teo izy roa, satria tsy mba nisy finday niresahana akory. Efa nanome daty hahatongavany ilay tovolahy. Dila nefa ny fotoana nifanarahana : tsy nisy vaovao ! Rehefa dila roa andro ny fotoana nifanomezana, tapa-kevitra izahay fa hanantona ilay foiben-toeran'ireo mpanamboatra lalana. Akory ny hagaganay mianaka fa toa mivorivory izany ireo mpiasa, amin'ny ora fiasana : mibanjina sy toa mifampibitsika ireo rehetra lalovanay.
-Manao ahoana ianareo mianaka. Azafady madimozely, ianao moa ilay olon-tian'i Fetra ?
-Eny ramose. Tonga eto mihitsy izahay mba hanontany vaovao momba azy ...
Indrisy mantsy, vaovao ratsy no niandry anay. Tsy tonga tany amin'ny Ray aman-dreniny mihitsy hono ilay tovolahy, satria niharan'ny lozam-pifamoivozana tamin'izy nikasa hody iny. Tsy hay nampanginina i Kalo fa nitomany nidradradradra mafy.
Iny zanako iny, itanilao fa kivy
Tsy vitan'izay nilaozan-tsakaiza ny zanako, fa mbola mitondra rano ihany koa. Ireo naman'ilay tovolahy no mba nampahery anay. Nisy iraikalahy nilaza ho nahita ny ray aman-dreniny, ka tapaka ny hevitray fa hiakatra any Iarivo hanao ny adidy farany sady hifankahafantatra amin'ireo fianakaviana. Tonga ara-potoana tokoa izahay, satria mbola tao am-bohitra ny razana. Andron'ny fandevenana rahateo tamin'izay. Vao nahatazana ilay trano, tsy tana i Kalo fa nihazakazaka mafy ary niankohoka teo amin'ny razana. Gaga avokoa ny rehetra tao an-trano, ary rehefa niarina i Kalo, nisy ramatoa mihaja be nanantona, dia ny renin'ilay tovolahy.
-Azafady aminao ry tovovavy, fa iza moa ianao ary avy aiza ?
-Miala tsiny, ianao no renin'i Fetra e ? Izaho no olon-tiany, tany amin'ilay toerana niasany
-Olon-tiany ahoana ? Na izao voninahitray izao aza ve dia vehivavy tambanivohitra toa anao no hilahatra amin-janako ? Mbola ao anaty fahoriana izahay mianakavy, ka miangavy anao aloha tsy manakorontana anay.
Tsy nahateny aho, nirifatra nivoaka i Kalo ka iny koa aho no lasa. Naka saina teo amin'ny tsenakely iray izahay mianaka, dia teo no nitazana ny fiaingan'ny razana tao an-trano. Ny ory tokoa tsy havan'ny manana. Mifanalavitra be ny fari-piainan'ny fianakaviana roa tonta. Mangidy tsy telina, fa izay angamba no lahatra.
-Toa naharikoriko ilay renin'i Fetra ry mama ny nahita ahy. Nefa anie izaho efa mba nanao metimety ery e
-Ny metimety aminao re anaka, mbola farahidiny aminy. Atao ahoana moa fa i Fetra tokony hiaro anareo mianaka ity tsy eto intsony. Aza mitanondrika izany zanako izany fa eto i mama, valala iray no ifanapahana e. Tsy maninona fa anareo mianaka ny vatany dia ahy ny elany. Olona toy ireny ve akia no ho rafozanina tsy aleo mionona amin'izay kely ananana
Dia izay kely nanananay tokoa no nahiratra. Ninia tsy nahalala anay mihitsy ny ray aman-drenin'i Fetra na dia efa nampilaza ny zava-misy rehetra aza ireo namany. Narary lava i Kalo ka teraka tsy tonga volana ny zazakely. Vao mainka izany nampitombo ny fahasahiranana satria volabe no lany tamin'ny fameloman'aina sy ny fanafody. Soa fa nisy vola navelan'i Fetra, saika nikarakarana ny raharahan'izy roa. Tafitasoa ihany izy mianaka, ka nitombo iray ny mponin'ny tranobongokelinay.
Dia ny vitan-dratsiko ve no nifindra tamin-janako ? Sa efa anjaranay mianaka ny tsy hahavanom-bady ? Enga anie hanova tanteraka ny tantara i Fenitra kely.
"Andriamanitra ô!
Iny zanako iny, omeo ny fiadanany
Fa hotohoto loatra ity misandratr'androny
Ny aloka nandalo namaky ny tanànany
Soloy maraina vao sy feno ny masoandrony..."
(Tononkalo nosoratan'i Rado)