• Cours de change
  • 4721.37 AR
  • |
  • $4422.7 AR
Copyright Image : © Adn Telma
Image
Vaovao

Niu Raza : Tsiambaratelo 5 vitsy mpahalala momba azy

28/03/2024 18:01 © Moov.Mg

Alahady roa nifanesy no nanaovan’i Niu Raza fampisehoana teto Madagasikara, tamin’ity volana martsa ity, dia ny 17 sy 24 martsa lasa teo izany. Fahombiazana sy fahafaham-po avokoa ireo seho ireo. Fa tsy ny hira sy ny seho sehatra ihany anefa no talentan’ity andriambavilanitra ity.

Taranaka mpanakanto

Vao 6 taona monja i Ny Ony Razafindratandra dia efa niaka-tsehatra. Tsy mahagaga loatra, satria tia sy mpilalao mozika ny fianakaviany. I Silo Andrianandraina, mpitendry sy mpihira tsy zoviana amin’ny maro, dia dadatoany ary isan’ireo nitondra risi-po ho azy, ka nirotsahany teo amin’ny sehatry ny mozika. Dia notafiany ny anaran-tsehatra Niu Raza, ary izao izy efa manana ny toerany ao anatin’ny tontolon’ny hira sy mozika izao.

I Niu Raza daholo no manoratra ny hira kaloiny, izay misy amin’ny teny malagasy, amin’ny teny frantsay ary amin’ny teny anglisy. Fa tena ankafiziny ihany koa ny mandihy ary hita taratra izany rehefa miaka-tsehatra izy. Nianatra ny “danse contemporaine”, tao amin’ny Rarihasina Analakely rahateo i Niu Raza, fony mbola nonina teto Madagasikara.


Copyright Image : © ADN Telma

Tsiambaratelo 5

Mbola marobe ireo ironan’ny fon’i Ny Ony Razafindratandra, toy ny vaky boky, ohatra, izay tena tiany rehefa manao dia lavitra, toy ny rehefa handeha hanao fampisehoana any amin’ny toerana mihataka ny fonenany izy. Zarainy ao anatin’ireto tsiambaratelo 5 ireto ireo fialam-boliny sy ny maha-izy azy, izay tsy dia be mpahalala loatra :
1 : Mpilalao « basketball » i Niu Raza fony mbola nonina teto Madagasikara. Ny Mb2all no klioba nisy azy tamin’izany.
2 : Tena tia mahandro sakafo i Niu Raza. Nikarakara sakafo niaraka tamin’ny hôtely Radisson izy, tamin’ny fandalovany farany, teo anelanelan’ireo fampisehoana roa nataony.
3 : Fa na tia mahandro sakafo aza i Niu Raza dia tena matahotra vorona izy. Tsy mihinana akoho mihitsy, hono izy, raha misy taolana.
4 : Tsy tia manao kiraro i Niu Raza fa mandeha an-tongotra amin’izao no tena ahazoany aina. Hita izany eny an-tsehatra eny, fa matetika izy no tsy mikiraro.
5 : Manorana matetika amin’ny toerana anatanterahan’i Niu Raza fampisehoana, izay tena mahaviana azy mihitsy. Tsy ny teto Madagasikara ihany, fa na any ivelany koa aza.


Copyright Image : © ADN Telma

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo