• Cours de change
  • 4738.29 AR
  • |
  • $4421.83 AR
Copyright Image : © Us Embassy
Image
Vaovao

Ivon-toerana American Center : Miverina misokatra ho an’ny besinimaro

26/04/2024 16:41 © Moov.Mg

Hisokatra ho an’ny besinimaro indray, manomboka izao, ny ivon-toerana American Center Antananarivo, taorian’ny fanavaozana azy. Notanterahina androany ny lanonana ofisialy mifandraika amin’izany.

Fitaovana avo lenta

Ivon-toerana misokatra ho an’ny rehetra ny American Center Antananarivo, izay ahafahan’ny tsirairay mampivelatra ny fifandraisany mivantana sy an’habaka amin’i Etazonia. Maro ireo tombontsoa azo sitrahana ao, toy ny fahazoana vaovao amerikanina, fampianarana teny anglisy, torohevitra momba ny fianarana any Etazonia, fampiasana teknôlojia avo lenta, fahafahana manao fifanakalozana ary fahafahana misitraka fandaharanasa isan-karazany. Manana fitaovana avo lenta rahateo ny American Center Antananarivo, toy ny « imprimante 3D », izay afaka manampy ireo mpianatra momba ny siansa, teknolojia sy injiniera ary matematika, mba hanitaran’izy ireo ny fahaiza-manao ara-teknikany. Etsy an-daniny, azo anatanterahana hetsika atrehina mivantana na ampitain-davitra ny ivon-toerana, toy ny fivoriana ampitain-davitra, ny fianarana teny anglisy amin’ny alalan’ny aterineto ary ny fampiasana ireo solosaina miisa 10 misy aterineto haingam-pandeha hanaovana fikarohana sy fampiofanana.

Misoratra anarana

Ny masoivohon’i Etazonia eto Madagasikara, Claire Pierangelo ; ny « Regional Public Engagement Specialist for East Africa », Shakaria Buckson, ary ny Mpanolo-tsaina momba ny Serasera sy ny Kolontsaina eo anivon’ny Masoivoho Amerikanina, Craig Ferguson, no niara-nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny ivon-toerana, androany. “Ny fisokafan’ny American Center indray dia marika lehibe amin’ny ezaka ataontsika hampiroborobo ny fifankahazoana sy ny fiaraha-miasa ary ny fivoarana eto Madagasikara sy any ivelany. Isika rehetra miaraka, andao hiaraka handroso hikaroka zava-baovao sy fiaraha-miasa hananganana ho avy mamiratra kokoa ho an’ny rehetra.”, hoy ramatoa Claire Pierangelo. Mila misoratra anarana izay maniry ny hisitraka ireo tolotra rehetra omen’ny American Center Antananarivo, satria voafetra ihany ny toerana. Ity ivon-toerana ity moa dia tafiditra ao anatin’ny tambajotra izay misy ivon-toerana maherin’ny 700 mitovy aminy, tantanan’ny governemanta amerikanina maneran-tany. Ankoatra ny eto Antananarivo dia isan’ireo nasiam-panavaozana ihany koa ny American Center any Mahajanga, Taolagnaro ary Moroni Kaomoro.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo